Politique

Tsiranana Ruffine “Ankolafy Ravalomanana aho”


  • Alakamisy 06 Desambra 2012

Taorian’ireo resaka nifamahofaho sy tatitra an-gazety mikasika ny fihetsika sy toerana misy ny minisitra Tsiranana Ruffine dia niala tamin’ny fahanginany ity farany ary nitondra fanazavana mba hialana amin’ny honohono sy hevi-diso.

 Notsiahivin-dRtoa Tsiranana Ruffine fa Sekretera Jeneralin’ny antoko PSD izy no voatendry ho minisitry ny fitsinjaram-pahefana avy amin’ny zara toeran’ny ankolafy Ravalomanana rehefa natao sonia ny tondrozotra ny 17 septambra 2011. Fiaraha-mitantana ny Tetezamita mba hivoahana amin’ny kizo mahazo ny Malagasy no votoatin’io tondrozotra io, ka nananganana ireo andrim-panjakana misy ankehitriny ireo. Nahitsy ny teniny milaza fa “ny minisitra Tsiranana Ruffine dia filoham-boninahitry ny PSD amin’izao fotoana izao fa tsy TGV mihitsy”.

Nampiany fanazavana fa “ny fahitana ahy niara-dia tamin’ny Filohan’ny Tetezamita dia ny amin’ny fanasana azoko sy amin’ny anaran’ny fiaraha-mitantana. Manao izany avokoa izahay mpikambana ato amin’ny Governemanta. Ankolafy Ravalomanana aho ka manao izay tratry ny aiko ho fanatanterahana an-tsakany sy an-davany izay voarakitra rehetra ao anatin’ny tondrozotra ka lehibe indrindra amin’izany ny andininy faha-16,17 ary 20. Ny tsy nahazoana ny fanasana no tsy nanatrehana ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety fa “tsy nibalady akory na nandeha nianatra signe “V” araka ny voambara…”.

Manoloana ny filazana fa minisitra efatra sisa ny avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ao amin’ny governemanta, dia nanipika mazava Rtoa minisitry ny fitsinjaram-pahefana, fa “mbola minisitra dimy izahay no ao fa tsy efatra araka ny voatatitra akory. Mbola samy Ankolafy Ravalomanana miara-mitantana daholo izahay mandra-panapa-kevitra miaraka miala, raha hita sanatria ka tsy mampody an’i DADA ny Tondrozotra nidirana tao anaty fitondrana”.

 

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT