Politique

Tsindry ara-diplaomatika Manomboka sahirana ny Fitondrana


  • Zoma 04 Martsa 2022

Namoaka fampitam-baovao nanamafy ny tsy fiandaniana eo anatrehan’ny ady any Ukraine ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy omaly, saingy nahagaga fa nofafana.

 Efa hitan’ny maro ary niparitaka anefa ka naverina indray, ary nohidiana ny fahafaha-maneho hevitra tamin’ilay fampitam-baovao. Somary mahagaga hoe : inona no anton’ireo fihetsika ireo ? Naneho ny Fanjakana, fa miady amin’ny fanajana ny lamina sy ny fepetra momba ny fizakan-tena ara-tanin’ny firenena manana fiandrianiny sy ny taniny amin’ny Mmaha mpikamban’ny Firenena Mikambana, izay toa endrika fanehoana fitoviam-pijery amin’ny Tandrefana. Mivoy ny dingana am-pilaminana raha nisafidy ny tsy fiandaniana amin’ny antsy na ny aroa « non-alignement » mba ho fanajana ny soatoavinan’ny Fihavanana,… Nanamafy ny ahiahiahy farantampony momba ireo vahoaka sivily ary maneho fihombonana amin’ireo lasibatra sy ny akaiky azy, ireo olona voatery nifindra toerana ka isan’izany ireo teratany Afrikanina sy Malagasy,... Miantso ireo voakasika mba hisoroka ny fanapahan-kevitra tsy azo hivalozana miteraka fahafatesan’olona sy voka-dratsy amin’ny lafiny maha olona. Miahiahy mafy manoloana ny voka-dratsy ateraky ny ady amin’ny toekarena maneran-tany izay efa marefon’ny krizy ara-pahasalamana. Maniry sy mandrisika ny hisian’ny fifampiresehana am-pilaminana mizotra makany amin’ny fifanarahana ara-diplaomatika manatsahatra ny fampiasan-kery sy fitaovam-piadiana. Nanamafy izany tamin’ny alalan’ny tambajotra Tweeter ny Filoha, ka nilaza fa tsy mbola tara ny fiverenana amin’ny fandriampahalemana. Ny votoatin’ny latsa-bato tao amin’ny ONU dia maneho ny tokony hisintahan’ny Rosianina any Ukraine sy hanatsaharana ny fampiasan-kery ka heverina fa karazana pi-maso eo anatrehan’ny tsy fahafaham-pon’ny Vondrona Eoropeanina eo noho ny tsy nanamelohantsika an’i Russie sy ny tsy nanaovantsika latsa-bato ihany ity. Tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny andaniny sy ny ankilany, ka misabaka ny Mpitondra Malagasy, saingy tsikaritra ho tratry ny tsindry ihany, ka manomboka sahirana sy mitady tsy hahatazona ilay tsy fitanilana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT