Tsimbazaza

> Terena hiala amin’ny trano alohan’ny 24 janoary ireo CT


  • Alakamisy 23 Janoary 2014


Mafanafana eny Tsimbazaza eny. Nahazo fampilazana ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita fa dia tsy maintsy miala amin’ny trano nipetrahany mialoha ny 24 janoary, izany hoe rahampitso zoma. Hatreto anefa, hoy ny fanamarihan’ireo mpikambana voakasik’izany tsy mbola misy didy mivoaka fa rava na foana ny Kongresin’ny tetezamita, noho izany mbola tokony hisitraka ny tombontsoa azony hatramin’izay ireo mpikambana ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalàna tao anatin’ny tetezamita ity. Manamarika ihany koa anefa ireo mpikambana CT fa efa telo volana izy ireo izao no tsy nahazo taratasin-tsolika na Chèques carburant et lubrifiant (CCAL). Manahy araka izany ireo mambra CT sendra ny Tia Tanindrazana sao mba tetika hanodinana ny tombontsoan’izy ireo izao fanerena azy ireo hiala amin’ny trano mialoha ny fotoana izao.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT