Nataon’ny MAPAR telimoka ireo filoham-baomiera ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Toerana 26 amin’ny 26 noraofiny avokoa taorian’ny fifidianana narahin-dromoromo omaly talata. Nampifanolana ny fitsipika anatiny.
Nanaovan’ny birao maharitra izay MAPAR no mandrafitra aza 100% kajikajy ny fandrosoana azy teo anivon’ny solombavambahoaka ka andininy vitsivitsy amin’ireo andininy mameno ny 35 pejy no tonga teny am-pelatanan’izy ireo holaniana, hifidianana ireo filoham-baomiera. Nivoaka ny trano ireo solombavam-bahoaka avy amin’ny vovonan’ny maro an’isa miaraka amin’ny filoham-pirenena. Ny MAPAR sy ny GPS (Groupe parlementaire spécial) sisa tao anaty trano fivoriana. Nilaza ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Razanamahasoa Christine fa tratra ny fetr’isa takiana ka dia nitohy ny fivoriana ary nofidiana ireo filoham-baomiera. Lasan’ny MAPAR sy GPS miara-dia aminy avokoa ireo toerana 26 amin’ny 26. Misy toerana iray faha-27 anjaran’ny mpanohitra. MAPAR 100% ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera. Asa raha mbola Lapan’ny Antenimieram-pirenena ihany no hilazana an’ity lapam-panjakana eny Tsimbazaza ity na niofo ho lapan’ny MAPAR, ary raha izao no mitohy dia hivadika ho QG-n’ny MAPAR mihitsy i Tsimbazaza atsy ho atsy, ka mety holokoina volomboasary hatramin’ny Lapa.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.