Taorian` ny fametrahana samboady an` ireo ben` ny tanàna voafidy tao amin'ny distrikan' Ambovombe dia anjaran` ny disitrakan` Tsihombe indray no nanatanterahana izany.
Ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, Tinoka Roberto, izay mpiahy ny Faritanin'i Toliara, no tonga nanotrona izany fametrahana samboady izany. Nandritra ny lahateniny dia nanambara izy fa tsy hisy intsony ny faritra lavitra andriana. Apetraka ihany koa ny fitantanana madio sy mangaraharaha ary mitsinjo ny vahoaka, hoy ihany izy, ny sabotsy teo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.