Politique

Tsiazompaniry - Ambohimiadana Mitaky tamberim-bidy ny ben` ny tanàna


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Efa hiditra ao anatin` ny vanim-potoanan` ny fahavaratra isika ato ho ato. Tsy an-drenivohitra ihany no mikaikaika fa na ny any ambanivohitra aza dia mitaraina hatrany

 

 

 

. Araka ny nambaran` ny ben`ny tanànan` ny kaominina ambanivohitra Ambohimiadana, distrika Andramasina, Rakotoarimanana Fidison, dia “roa hatramin` ny telo andro vao tonga aty Antananarivo rehefa fahavaratra kanefa lalana 79 kilaometatra (RUP +79) miala amin` ny renivohitra”. Efa nisy ny fotoana nandalovan` ny governoram-paritra Analamanga tany amin` ity distrika ity ka nanambaran`ity farany fa amboarina ny lalana mampifandray an` Antananrivo, Andramasina, Ambohimiadana ary Tsiazompaniry saingy tsy hita hatreto izay ny fanatanterahana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Notsipihany manokana fa toerana tafiditra ao anatin` ny kaominina iadiadiny i Tsiazompaniry, izay faritra mamatsy herinaratra sy rano ho an` Antananarivo saingy tsy hiantefahan` ny fampandrosoana. Marihana fa na Ambohimiadana izay miala telo kilaometatra amin` i Tsiazompaniry aza dia tsy misitraka rano fisotro madio sy herinaratra. Na eo amin` ny lafiny fahasalamana aza dia tsy misy mpitsabo amin` ireo toeram-pitsaboina any amin`ity kaominina ambanovohitra ity kanefa ny mponina dia maherin` ny telo alina. “Lasa ankilabao ny kaominina, tsisy tamberim-bidy kanefa mamatsy ny renivohitra. Rehefa hita ve ny tombon-tsoa ilain`ny fanjakana dia hitan` i Tsiazompaniry? Fa rehefa tombotsoam-bahoaka dia tsy hita izany”, hoy hatrany izy.

Le

Marigny A. sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT