Politique

Tsiambaratelom-panjakana ?


  • Talata 11 Febroary 2014


39 taona katroka anio talata 11 febroary 2014 ny nahafatesan’ny kolonely Ratsimandrava Richard rehefa tsy niamboho adidy ary sahy nandray andraikitra ka nahazo ny fahefana feno tamin’ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny 05 febroary 1975, herinandro tampina talohan’ny famonoana nahazo ity andrarezin’ny fitiavan-tanindrazana ity. Fampatsiahivana ihany no ilazana fa izy no raiben’ny rafitra fampandrosoana ifotony na ny Fokonolona. Izy koa no anisan’ny nametraka ny fifampitokisana voalohany teo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra mivantana ny VATOEKA na ny Vaomieran’ny Toekarena nisahana ny seha-pihariana sy ny famokarana. Efa hiditra amin’ny Repoblika fahefatra izao i Madagasikara nefa tsy mbola nahitana mangirana ihany ity raharaha fandatsahan-dra ny filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta izay namoha indray ilay tena afom-pitiavan-tanindrazana teo amin’ny vahoaka Malagasy ity. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany no ilazana fa efa maro ihany izay malagasy namoy ny ainy noho ny fitiavan-tanindrazana izay saingy toa raharaha tsy misy tohiny daholo izany hatramin’izao raha tsy hampahatsiahy afa-tsy ny vao haingana indrindra dia ny 25 janoary 2014 izay nahafaty zazalahy roa sy naharatrana olona maherin’ny 50 tetsy Anosy. Raha ny fantatra anefa dia nisy ny fanadihadiana natao saingy vitsy no tena mahalala ny zava-misy marina. Sa izay tokoa ilay hoe «tsiambaratelom-panjakana» ?

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT