Politique

Tsenam-panjakana 146 tapitrisa Ar Misy mitory ny depiote Tsiliva


  • Alakamisy 30 Jona 2022

Notorian’Atoa Maharesy Roi Francis Ben’ny tanànan’Ankavandra teo aloha tompon’ny orinasa ETS AR Business any amin’ny Sampana fitarainana eo na “bureau de doléance” eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Depiote

Christophe Tsiliva Didiot voafidy tany Morondava, araka ny taratasy napetrak’iry voalohany tamin’ny 21 jona 2022 teo. Resaka fifanarahana arak’asa mombana tsenan’asam-panjakana fanamboarana EPP Manara-penitra misy efitra 2 any amin’ny Kaominina Betsipolotra Distrikan’i Miandrivazo Marché N°8-MS/MEN/PRMP//TVA 20, izay miteti-bidy 146 120 286,00 Ar, tokony natao tao anatin’ny 20 andro no fototry ny olana. Ny volana janoary 2020 no nivoaka ny antso tolo-bidy. Ny Orinasa Tsilavo izay voalaza fa misoratra amin’ny zanaky ny depiote Tsiliva no nahazo ny tsenan’asa, ary ity depiote ity no tena tompon’ny fanapahan-kevitra. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny depiote Tsiliva sy Atoa Maharesy Roi Francis, fa ny orinasan’ity farany ETS AR Business izay ao amin’ny faritra hanaovana ny asa no hampiandraketina ny asa izay azon’ny ETS Tsilavo (contrat de sous-traitance) satria somary mitoka-monina rahateo ny any Betsipolotra. Nandà izahay tamin’ny voalohany satria betsaka tamin’ireny ny orinasa amin’ny asa vaventy tsy nahazo ny volany, hoy Atoa Maharesy Roi Francis. Nahazo toky tamin’ny depiote Tsiliva anefa, ary misy ny taratasy nifanaovana misy ny fitombokasen’ity depiote ity amin’ny maha filohan’ny Kaomisionin’ny kolontsainan’ny antenimieram-pirenena azy, hoy ity farany. Nahazo toky fa vao mandeha misy 20% ny asa dia hivoaka ny vola. Nananatona an’ity depiote ity momba ny fandoavam-bola na « payément », rehefa nandeha ny asa saingy nambarany fa mbola tsy misy vola mivoaka any amin’ny tahirimbolam-panjakana. Nomeny vola 30 tapitrisa Ar nambara fa ampanjahana aza, nividianana fitaovana nahatratra 2 kamio. Raha ny fikaroham-baovao nambaran’i Maharesy Roi Francis anefa, dia efa lasa any amin’ny kaontin’ity depiote ity ny 141 tapitrisa Ar eo avy amin’ny Tahirimbolam-panjakana. “Efa io izany no nanomezany ahy 30 tapitrisa notetehiny hozanahako tamin’ny 09 desambra 2021”, hoy izy. Vao naheno an’io dia nanala ny mpiasany ity orinasa ity noho ny resabola tsy mazava. Ny 22 may teo nifampiraharaha indray, nanome 4 tapitrisa Ar ny vola, fa hoe:: tsy homena bolongany fa mandeha isaky ny dingana ny vola. Mandrirarira hatrany no ataon’io depiote io amin’ny fandoavam-bola, hoy ny mpitoroka. Mangataka ny hanefan’Atoa Tsiliva mpisolo tena ny ETS Tsilavo 40 128 900 noho ny vola efa natontony tao sy ny tokony ho zanany (marche beneficiaires) 30%° noho ny fihitsohan’ny volany tsy afa-mihetsika tao. Raha tsy horaisin’ny ETS Tsilavo ny asa, dia 87 093 000 Ar no angatahany amin’io orinasa solon’ny depiote Tsiliva io tena hamitana ny asa. Milaza ho voarirarira mantsy ny mpitory, ny tanjon’io depiote io dia ho vita amin’ny sarany maivana tsy hivoaka vola firy, ary ho azy ny tombony rehetra, hoy izy.


Misy ny taratasy mirakitra ny tatitra nataon’ny Ben’ny tanàna miantefa amin’ny Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana any Miandrivazo sy ny Sampam-pianarana ao Betsipolotra ny 22 may 2022, izay misy ny fitombokase ara-panjakana an’ireo. Nanamarina fa nanomboka tokoa ny asa ary vita hatramin’ny 30% eo. Misy ny fitaovana sasany toy ny simenitra, fer, hazo fisaka, kojakoja samihafa,… Nohamafisiny fa nijanona nanomboka ny faramparan’ny desambra 2021 ny asa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT