Politique

Trosa be miavosa Mandoa 600 000 Ar isam-batan'olona ny Malagasy…


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Tsy arakaraka ny vava be nataon’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny propagandy fa tsy handroso isika na amin’ny 2030, 2050, 2060,…

raha mbola hiantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra, fa rehefa izy no e odia isika indray no hampindram-bola an’i Comores. Mahatratra 16 139.65 miliara Ar na 4 miliara dolara anefa ny ambin'ny trosa ivelany tsy voaloan’i Madagasikara, raha ny voasoratra ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na ny PLFR 2022. Mitsinjara ho efatra io, ka midangana indrindra amin’io an’ireo « Organismes internationaux » mahatratra 11 679 ,57 Ar, ka mitana ny lohalaharana amin'ny trosa mbola tsy voaloan'i Madagasikara any ivelany, ny farany volana desambra 2021, ny an'ny IDA (Association internationale de développement), rantsan'ny Banky iraisam-pirenena ho an'ny firenena faran'ny mahantra, 7 930.62 miliara ariary, manaraka azy ny an'ny FAD (Fonds africain de développement ) 2 210.97 miliara ariary. Faharoa ny an’ireo mpikambana ao anatin’ny Club de Paris na «Bilatéral, Membres du club de Paris » mahatratra 1 245,09 miliara Ar ka 548,19 miliara amin’io an’i France. Mahatratra 1 649,81 miliara Ar kosa ny an’ireo “non membres du club de Paris”, ka 1505,51 miliara Ar an’ireo antsoina hoe: “autres créditeurs” ahitana an’i Algerie, Angola, Chine, Inde, Irak, Lybie, raha toa ka 144,30 miliara Ar kosa ny an’ny « Fonds Arabes ». Mahatratra 1565,19 miliara Ar kosa ny trosan’ny « Crediteurs privés » izany hoe : ny avy amin’ny tsy miankina ka ny an'ireo Institutions Financières no betsaka indrindra mahatratra 1 287,98 miliara ariary, 206,52 miliara Ar kosa ny an’ireo Banky ara-barotra. Mitotaly 16 139.65 miliara ar (4 milliards de dollars) ny ambin'ny trosa ivelany tsy voaloa. Eo amin'ny 600 000ar isam-batan'olona, hatramin'ny zaza vao teraka, amin'ny Malagasy 27 tapitrisa.

MILA FAHAIZA-MITANTANA
Voasokajy ho firenena mahantra fadiranovana tsy mahavelon-tena i Madagasikara hatramin’izao, na voalaza aza fa miaina eo ambonin’ny harena. Hatreto, tsy afa-miala amin’ny fianteherana amin’ny mpamatsy vola satria ny vola hampiodinana ny Fanjakana aza tsy ananantsika, tahan’ny fampidiran-ketra tsy 15%,… Tsy ny fitrosana no ratsy fa mila hay kosa ny mamadika izany ho lasa tombony sy ho herijika sy hery ahafahana manarina ny toekarena.Bokan-trosa isika fa moa mba niatraika tamin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena izany ? Mbola miankin-doza ara-bola, ara-politika, ara-jeopolitika, ara-teknolojia,… Raha misy ny fahaiza-mitantana sy ny finiavana ara-politika lavitry ny fitiavan-tena, azontsika atao ny mamadika ny harena eto ho aina hiodinan’ny firenena. Tsy midika ho fiolonolonana, fa mila fifanakalozana ara-teknolojia, mila mpampiasa vola,… Ny fahaiza-miresaka sy ny fahaizana mampiasa ny vola ho amin’ny tombotsoa ambon’ny firenena no zava-dehibe, fa tsy ny famenoana paosy na fitantanana tsy mangarahara toy ny nanaovana ny 1818 miliara Ar tamin’ny coronavirus. Asa mivaingana no ilaina fa tsy seho ivelany hanaronana ny tsy fahombiazana!
Sary fanehoana: Mila fahaiza-mandresy lahatra sy fahaiza-mitantana ny fitrosana mba tsy hampidi-kizo firenena
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT