Politique

Tratry ny ampamoaka Manambony môraly ny FAT


  • Zoma 07 Janoary 2011

Taratsin’ny ONU. Io indray no ambetin-dresaky ny mpomba ny FAT hatry ny omaly ary roritina hatrany amin’ny filazana fa fahombiazan’ny diplaomasia ankehitriny fa hoe miverina amin’ny toerany indray i Madagasikara eo anivon’ny Firenena Mikambana ary mizotra mankany amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena ny raharaha ho an’izao fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina izao.

Ny marina dia izao, mitady ny fomba rehetra ny FAT mba hanakonana ilay vaky bantsilana, toa vara-datsaka, nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana ny alarobia 05 janoary 2011, nilazany fa in-droa nanongam-panjakana izy sy i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ary vola be amina miliara no nandeha tao anatin’izany ary nandraisany 20 tapitrisa ariary ny 08 martsa 2009. Ny famoahana iny taratasy iny no paika iray heverin’ny FAT mba haha sosoa voatapo-drano ny fientanam-pon’ireo mpanohitra ny FAT nandre ilay fanambaran’ny kolonely.

Efa tamin’ny 18 novambra 2010 sy 22 desambra 2010 io resaka ONU io ary tsy hamela an’izany hangingina tany i Andry Rajoelina raha zava-baovao tokoa izy io, fa nokabariany tamin’iny alin’ny 31 desambra 2010 iny. Maninona no nandrasana ny alarobia 05 janoary 2011 vao naparitaka tamin’ny gazety “namana” ny momba azy io ? Satria mafy fidona tao Ambohitsorohitra ny tenin’ny lietnà-kolonely Charles. Ity farany izay nampanantena fa mbola hisy vaky bantsilana hataony, ka ho voakasik’izany ny raharaha 07 ferboary 2009, izay raha ny lojikany dia hanonona anaran’olona ity manamboninahitra miaramila ity, toy izay efa nataony ny 05 janoary teo.

I Madagasikara dia mpikambana feno eo anivon’ny Firenena Mikambana ary tsy nihantona akory na teo aza ny fanonganam-panjakana nitranga teto. Porofon’izany, misy hatrany fanasana hiatrika ny fivoriambe isan-taona, fanao rehefa volana septambra. Nitarika delegasiona tany New York (Etazonia) hatrany i Andry Rajoelina ny taona 2009 sy tamin’ny taon-dasa 2010, dia efa niahara-nahita sy nandre ary nahalala ny zava-nanjo azy tany. Tsy nahazo nandray fitenenana na dia efa niomana fatratra aza. Ary ny loza aza dia dika mitovin’ny karabarina praiministra vahiny iray no nomanin’ny mpiara-miasa aminy, ary nanaovana sarimihetsika tamin’ny teknolojia maoderina nentina nilazana teo imason’ny Malagasy fa nahazo niteny tany New York, kinanjo sirika ilay paipaika ary nesorina toy ny tsy teo tao amin’ny tranokalan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ilay izy.
 
Mbola tsaroan’ny maro koa fa niezaka ny nanampy ny FAT mba hahazo hiteny teo amin’ny pilipitran’ny Firenena Mikambana, ilay diplaomaty libiana, nitarika ny fivoriambe tamin’ny septambra 2010, saingy ny SADC tamin’ny alalan’i Joseph Kabila no nitsivalana ary dia tsy nahazo fitenenana i Andry Rajoelina. Midika izany fa ny SADC no tompon’ny teny farany mikasika ny raharaha eto Madagasikara. Toy ny hoe ny CDEAO no miditra amin’ny raharahan’i Côte d’Ivoire. Rehefa miteny ny SADC fa “O.K” dia miverina ho mpikambana ao amin’ity Vondrom-paritra ity i Madagasikara, miverina ho mpikambana eo anivon’ny Firaisambe Afrikana i Madagasikara ary foana manaraka izany ny sazin’ireo 109 tamin’ny martsa 2010, toy izany koa ny eo anivon’ny Frankofonia dia manaraka ho azy ny sisa, toy ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra. Raha mbola miteny ny SADC fa “tsy izy io”, dia tsy misy azo rebirebena eto.
 
Afaka manomana karabary ho an’ny fivoriambe amin’ny septambra ny FAT, raha mbola izy no hiziriziry eo satria izay koa no hevitra ambadik’ity fivoizana resaka ONU ity mba hanerena ny Ankolafy hafa hanaiky izay tiany, fa raha izay dia azo eritreretina ny zavatra hiandry ny azy any New York. Famitaham-bahoaka koa ny fivoizan’ny mpiara-dia amin’ny FAT fa mitovy lenta i Cote-d’Ivoire sy i Madagasikara. Olam-pifidianana ny krizy any, saingy lanim-bahoaka ary eken’izao tontolo izao i Alassane Ouatara, fa ny eto kosa dia fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina, ary izao tontolo izao no indray nanameloka izany ary anisany ny Firenena Mikambana, ka tsy ankehitriny ny FAT no hilaza fa niova ny fomba fijery sy ny fihevitr’izao tontolo izao momba an’i Madagasikara, vao maika aza handratsy endrika azy ny fanambarana sy taratasy nalefan’ireo manamboninahitra tao amin’ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena tonga eny ampelan-tanan’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny ampitso no hanazava ny tohiny.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT