Raikitra ny ampamoaka etsy amin’ny Magro Behoririka. Nolazain’i Manoela Ralaimampisainarinony omaly fa misy minisitra miketrika honoratra amin’ny anarany manokana ny tranon’i Marc Ravalomanana etsy Faravohitra.
“Aza milingilingy ary aza atao an’izany fa samy zanak’ Antananarivo ianareo”, hoy i Manoela. Aza kitikitihina ny azy mba tsy hisiana zavatra hafa avy eo, hoy ihany izy. Momba ny fodian’i Marc Ravalomanana dia nambarany fa efa akaiky ny 18 oktobra ary dia niantso ny Troika-SADC ny tenany mba hanapaka am-pilaminana araka ny tokony ho izy. “Miara-mandroso i Madagasikara” no tanjona fa tsy olana na avy aiza na avy aiza ny olona hitondra ny firenena, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony izay nanambara fa tokony hotapahan-doha izay olona mivoy adim-poko. Tsy rafitra no olana ho an’i Madagasikara, hoy izy fa olona. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny momba ny fampihavanana ka nilazany fa ny FFKM irery ihany no inoana sy azo ekena ny fampihavanana ny Malagasy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.