Miatrana am-bava basy ny mpitandro filaminana ao Antsirabe nanoloana ny trakta niely eran’ny Fokontany vitsivitsy tao an-toerana ny harivan’ny alarobia 24 oktobra lasa teo.
Raha ny fanadihadiana moa dia nosoratana tamina penina mena ireo trakta ireo izay nohamarinin’ny lehiben’ny Distrika ny fisiany. Voalaza fa na tsy nampahafantarina ny mponina aza dia efa nanomboka tamin’ny 5 ora hariva no efa nifamezivezy eran’ny tanànan’Antsirabe ireo mpitandro filaminana hisorohana ny mety tsy hampoizina. Loza tokoa anefa no nitranga ny alina fa niely ny tsaho tany amin’ny Fokontanin’i Mandriankeniheny tany fa efa tonga ireo mpanafika ka nitsoaka tany amin’ny tobin’ny polisin’Ambohimena ireo zaza aman-behivavy, ankoatra ireo vatan-dahy izay niatrana niambina.
Anisan’ny nampisavoritaka ny mponina ny filazana tao amin’ilay trakta fa : “izay tsy manam-bola omena ireo dahalo dia hotetehina ny zanany”, ka tsy niala tao izy ireo raha tsy tany amin’ny 2 maraina tany ho any. Tsy nanamaivana ity resaka ity ny mpitandro filaminana. Nanoloana izay dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny lehiben’ny Distrikan’Antsirabe I, Andriasy Vonjy Maminjanahary izay namory ny OMC avy hatrany niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fokontany fa mila fahamailoana sy fanadihadiana ny trangan-javatra toy ireny ary ampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy ny tsaho fa tsy avy hatrany dia mandray fepetra mitokana any. Ilaina ihany koa ny fanaraha-maso ireo olona vahiny mivezivezy, ary hamafisina ny lafiny serasera sy fifanomezan-tanana amin’ny mpitandro filaminana. Misy koa ny fanadihadiana misokatra mahakasika iny trakta niely iny ka ho hita eo ny tohiny satria dia enjehin’ny lalàna ny fanakorontanana saim-bahoaka.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.