Amin’izao fotoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao no tokony hanararaotan’ny fanjakana hisarihana ireo sehatra tsy ara-dalàna hiditra amin’ny ara-dalàna hoy ny mpandraharaha Tovonanahary Rabetsitonta.
Tokony hisy hoy izy ny politika mazava ataon’ny fitondram-panjakana hirosoana amin’izany. Hiteraka vahaolana maharitra izany indrindra ho an’ny fampiakarana ny tahan’ny fampidiran-ketra na dia efa nolazaina aza fa tsy ho tratra mihitsy ny tanjona amin’ny fampidiranketra amin’ity taona ity. Hatramin’izay mantsy dia ireo mpandoa hetra ihany no mandoa ary ny maro an’isa izay manome 80% dia tsy mandoa hetra ary anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna avokoa. Raha tsiahivina dia 4029 miliara Ariary ny vinavina fampidiran-ketra tanatin’ny lalànan’ny tetibola tany amboalohany (LFI) ary nihena ho 2757 miliara Ar izany tanatin’ny lalànan’ny tetibola nasiam-panitsiana (LFR). Mbola tsy ho tratra ity farany raha tsy manao ezaka ny fanjakana hampihena ny sehatra tsy ara-dalàna izay tsy mandoa hetra hoy hatrany ny mpandraharaha.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.