Politique

Torolalana fanorenana ny firenena Namoaka boky kely ny CFM Antananarivo


  • Talata 22 Martsa 2022

Isan’ny ezaka ataon’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM ny fanorenana ny firenena. Ohatra iray, hoy ny filoha lefitra misahana an’Antananarivo,

ny atao ao amin’ny kaominin’Andriambilany izay masomboly mbola voatahiry sy voafantina tsara amin’ny fiainana fihavanana. Rehefa nifampiresahana tsara tao dia atao ohatra ry zareo ho aparitaka indrindra avy eto amin’ny faritan’Antananarivo. kaominina miisa 25 eo angamba izay no efa noresahana izany ary misy aza tonga dia any amin’ny fokontany mihitsy no resahanay azy ary izay iresahana izany dia resy lahatra. Misy mbola misalasala hoe mafy be izany. Ho tafaverina ve? Misy kaominina tonga dia efa manomboka sy mahazo tombony amin’ny fampiharana ilay antsoina hoe “Kianja maitso” na amin’ny resaka fitantanana raharaham-panjakana io. Mitombo ny hetra, mitombo ny asa famokarana, mandeha ny fahadiovana, manomboka milamina ny olona, mandeha ny fotodrafitrasa. Tonga dia amin’ny herin’ny fokonolona fotsiny izao. Nanamboatra tetezana izao ry zareo tany Andranomadio dia tetezana mirefy 437 metatra handehanan-tongotra fa vita. Mbola tsy tonga ny volan’ny hopitaly sy ny karazany fa ny olona tonga dia manamboatra. Miteraka fanantenana izany saingy misy fotoana rehefa mirehitra koa moa ny jiron’ny fanantenana dia misy mitsoka jiro, mamono afo. Misy ezaka mafimafy ho atao ato ho ato ho fitoriana izany fihavanana izany. Isika Malagasy rehetra mihitsy no antsoina sy irariana hiaina izany, hoy hatrany ny CFM, sampana Antananarivo. Antony namoahana ny boky kely mirakitra ny torolalana momba izany sy ho fampahafantarana ny efa vita ary ho aparitaka amin’ireo kaominina hafa izany, hoy izy ireo.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT