Ny feo re tetsy sy teroa mikasika ireo olona nifandimby nitantana ny ministeran’ny serasera tato anatin’ny tetezamita.
N 5 : Malazarivo Félix : Henjam-pitenenana, faobe ny fanakatonana haino aman-jery tamin’ny fitantanany. Nandiso fanantenana ireo mpanao gazety tahaka azy izy.
N 4 : Augustin Andriamananoro. Nivandravandra be hoe niandany tamin’ny fitondrana FAT, be resaka loatra kanefa tsy hita akory izay tena asa vita.
N 3 : Rahajason Harry Laurent : Minisitra tena nalaza indrindra tamin’ny sivana sy ny fanapenam-bava, ka ny praiminisitra avy no tsy navelany niteny tao amin’ny TVM sy ny RNM.
N 2 : Nathalie Rabe. Na dia tsy mpanao gazety aza dia nahay nifandray tamin’ny orinasan-tserasera. Afaka nifampidinika tamin’ny rehetra, nahavatra nihaona tamin’ireo tonian-dahatsoratra sy talen’ny famoahana ho fanatsarana ny asa, ary tsy dia nampiseho fitongilanana be loatra.
N 1Gilbert Raharizatovo : Nanana eritreritra tsara, nahalala tsara ny tontolon’ny serasera, ampy traikefa, kanefa dia tsy naharitra ela fa nafindra toerana avy hatrany. Nanjavona niaraka amin’ny fikasana hanangana ny Green TV na Chaine 2 tao amin’ny TVM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.