Politique

Tonton Ambroise «Tsy Côte d’Ivoire akory i Madagasikara !»


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010

Niala tamin’ny fahanginany raha somary tsy re loatra tao ho ao i Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko Front Républicain et Démocrate Légaliste (FRDL).

Nanao fanambarana ny tenany ka nilazany amin’ny teny mahitsy fa vokatry ny politika maloto nampiharin’ny mpanjanatany tato anatin’ny 50 taona ny zava-mitranga amin’izao fotoana any Côte d’Ivoire sy ny eto Madagasikara, hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, izay nomelohin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary izao tonga amin’ny didy jadona tsy mbola nisy toy izany ampiharin’ny FAT, hoy i Tonton Ambroise. Tsy i Côte d’Ivoire anefa i Madagasikara, hoy ity farany, ka fotoana izao ho an'ny fianakaviambe iraisam-pirenena handrosoany tetiandro mazava hamahana ny krizy, hitadiavana vahaolana, mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny Malagasy fa tsy teriteren’ny hery ivelany. Amin’ity filohan’ny FRDL ity dia tokony hampiharina amin’ny mpanongam-panjakana avy hatrany ireo sazy araka ny voatondron’ny Fifanarahan’i Cotonou, sy ny Sata Afrikanina momba ny demokrasia.

Amin’i Tonton Ambroise dia tsy tokony hiandry ela fa io janoary 2011 io ihany ny GIC sy ny CNOSC dia tokony hahavita mamaritra sori-dalana ifanarahan’ny rehetra hiverenana amin’ny ara-dalàna, hametrahana ny tany tan-dalàna.
 
Araka ny fantatra dia efa manomana ny fiverenany an-tanindrazana i Tonton Ambroise. Mandra-pahatonga izay dia mahatsiaro sy mankahery manokana ny Vahoaka Malagasy izy amin’izao andro fety izao, indrindra ireo legalista izay nijoro hatrany hamerenana ny ara-dalàna, ny demokrasia, ny fandriampahalemana, ary niady ho an’ny fahafahana, na teo aza ny hery famoretana sy fampijaliana niaretan’izy ireo hatramin’ny 17 martsa 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana teto. Nanao antso amin’ny vahoaka Malagasy koa ny tenany hampanjaka ny fihavanana ka hivondrona hanavotana ity tanindrazana iombonana ity eo ambany vahohon’ny jadona.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT