Politique

Tontolo politika Takon’ny fahombiazan’ny Barea


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Takona tanteraka ny raharaha politika eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao.

 

 

 

Ny baolina kitra izao no hifantohan’ny sain’ny Malagasy satria any no tena ahitana tsirony sy fafiny kokoa, hoy ny fenehoan-kevitra. Vao mitodika amin’ny sehatra politika, dia fifidianana sy hala-bato no tonga ao an-tsain’ny maro. Na ny mpanao politika sasany aza, dia toa lasa maka fafiny any politika sy toa mitady hanao fitaovana an’io aza indraindray. Irariana mba ho fanohanana sy fitiavana madio tahaka ny an’ny Malagasy rehetra ihany fa tsy hampiditra viriosy eo amin’io sehatra io indray satria toa efa hita taratra ihany izany tato ho ato. Irariana hatrany kosa anefa ny hitohizan’ny fanohanana. Azontsika trandrahina io fahombiazana amin’ny baolina kitra mba hakana lesona amin’ny sehatry ny politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Rehefa miray feo sy miombona ny rehetra, fa tsy mifamingana sy mifamotika am-pitoerana dia azo antoka fa hisy vokatra azo raisina. Tsy izay no zava-misy ara-politika, fa fifamotehana, fifanaratsiana, fifaminganana,… satria be loatra ny fitiavan-tena. Tsy dia misy tanjona iombonana hamoaka ny Malagasy ao anatin’ny tsy fahombiazana fa dia ny higoka tombontsoa samirery sy hampitombo ny ambaindain’ny vola aman-karena no masaka an-tsaina. Toa zary lasa bizina aza ny fanaovana politika eto, indraindray ny namana aza no finganina sy potehina. Mila miova sy maka lesona isika.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT