Politique

Tontolo politika Miha vitsy ireo sahy miaro fitondrana


  • Talata 21 Jona 2022

Mihena mba tsy hilazana fa tsy dia ahitana olona manao ireny akanjo t-shirt volomboasary misy ny sarin’ny Filoham-pirenena ankehitriny ireny intsony eny amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny.

Mitotongana tanteraka ny taham-panohanana na «côte de popularité» an’ny Filoha am-perinasa Andry Rajoelina. Zary lasa henatra eny amin’ny fiarahamonina ny maneho amin’ny endrika ivelany ny fanohanana sy fankasitrahana ny fitondrana ankehitriny, tsy misy olona sahy mijoro miaro ampahibemaso ny Fanjakana ankehitriny intsony eny amin’ny fiarahamonina, eny fa na ireo fatra-panohana tany aloha aza kivy sy tofoka, ary tena diso fanantenana. Any amin’ny Facebook sisa no tena manezaka ireo mpomba ny fitondrana izay betsaka no kaonty tsy tena izy na « compte fake ». Ireo vondron’olona manana na mahazo tombotsoa manokana mivantana avy amin’ny mpitondrana na olon’ny mpitondra sisa no tena mikofokofoka mafy miaro ilay fitondrana, fa raha eny amin’ny fiarahamonina amin’ny ankampobeny dia naman’ny efa very izao fitondrana izao. Na ireo niara-dia tamin’ny fitondrana aza milaza fa tsy izy intsony io. “Tsy hanohana an’ireo sy tsy hamono tena amin’ireo intsony aho, tsy te ho may trano aho”, hoy ny mpaneho hevitra malaza iray izay isan’ny nanao ny ainy tsy ho zavatra nampandany an-dRajoelina tamin’ny 2018. Antony ny tsy fahombiazana amin’ny endriny maro: toekarena, sosialy, eny fa na amin’ny politika aza vao mainka mampihen-danja ny Fitondrana Rajoelina ny hetraketraka politika amin’ny endriny maro. Akaiky ny fifidianana, ka ezahina ampitomboina indray ny hafainganam-pandeha amin’ny fampanatenana samihafa. Toa endrika propagandy mandavan-taona no miseho, raha toa ka miha mitombo sy mahery vaika andro aman’alina kosa ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy tena manana vahaolana maty paika, fa ny hany hery dia ny mampifalifaly olona mandany vola amin’ny kifetifety sy fampisehoana. Fanarian-dia ny olona no himasoana fa tsy famahana ny olany. Tsy fampandrosoana firenena no misy eto fa fitantanana krizy, ary ny olona ao anaty fitondrana aza efa betsaka no kivy fa tsy afa-manoatra. Ny sasany efa tena misy miteny hoe: “aza ariana ny namana raha sanatria ho avy izay ho avy!”. Betsaka no maneho an’izany, saingy maro ihany koa no mampandry adrisa an’ilay Filoha fa manga ny lanitra, vao mainka miakatra ny fahatokisan-tena diso toerana rehefa mahita vahoaka vory mijery fety sy fampisehoana maimaimpoana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT