Politique

Tontolo politika Mbola feno fitaka hatrany


  • Zoma 05 Jolay 2019

Mba hanao ahoana ny hoavin`ny tontolo politika eto Madagasikara ? Fanontaniana mbola saro-baliana.

 

 

 Ny fanaovana politika eto amintsika dia toa manantitra sady manome hery amin`ireo efa mahery. Mandeha ny fametrahana ny depiote, iray andro aoriana dia efa mitsimbadika ireo tsy miankina. Tsy mandeha akory ny asa eto amin`ny firenena,  dia efa hoe hanohana ny fitondrana ny sasany, ny boky mirakitra ny vina sy fandaharanasan’ilay filoha aza mety tsy mbola novakiana akory. Mifanandrify amin`ny andrasan`ny vahoaka aminy ve izao fanapahan-kevitra izao ? Misy dikany matoa nifidy kandida tsy miankina ny olona, nefa misy sahady ireo mivaro-panahy. Tsy mbola nahavita tatitra amin`ny vahoaka akory dia manapa-kevitra sahady. Inona ny rafi-piarahamonina any amin`ny distrika izay nifidy azy ? Ahoana no hamadihana izany ho lalàna ? Mamaly ny hetahetan`ny vahoaka ve ? Vao lany dia efa ny tombontsoany no eritreretiny kanefa misy asa sy andraikitra atao eo amin`ny vahoaka  vao afaka maneho hevitra. Ny politika natao teto amin`ny firenena dia nahitan`ny vahoaka taratra fa tsy misy fitsinjovana ny vahoaka fa miaro tombontsoa manokana fotsiny. Tsy maintsy miditra IRD, IRMAR… daholo ve vao hahazo rariny sy hitsiny ? Tsy hahasoa ny firenena ny zavatra toy izao.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT