Hiroso ihany ve sa hiverin-dalana ny fitondrana tetezamita ? Io izao no manitikitika ny sain’ny maro. Hita ho mihazakazaka mantsy ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena.
Vita ny fitsapan-kevi-bahoaka, hivoaka tsy ho ela ny voka-pifidianana ofisialy izay hambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny 06 desambra izao, ary dia andrasana aorian’izay ny governemanta amin’ny endriny vaovao. Manoloana izany dia hita ho nisy akony tamin’ny Ankolafy Telo ny fitanana am-ponja ireo azo ambara fa lohandohan’ny mpisorona tao aminy. Nihena hery nanaraka izay ny hetsika fanaony na misy ihany aza ny fihaonana eny amin’ny “Villa Elisabeth”, nofinofy ny hahatafidirana ao amin’ny kianjan’ny Malacam ary ny atahorana aza dia mety mbola hisy hosamborina ireo mpitarika hafa. Raha ny fahitan’ny mpandinika azy koa dia manomboka miseho masoandro izao ny tsy fitovian’ny fomba fijery amin’ny tokony hitarihana ny tolona eo amin’ireo Ankolafy Telo, ao ny manizingizina ny tokony hialan’i Andry Rajoelina tsotra izao, ao ny mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo tsy misy ovaina, ao ny milaza fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana sy hiditra ao anatin’ny rafitra tetezamita raha mazava tsara ny fitsipi-dalao ary tanterahana ny famotsoran-keloka faobe ary malalaka ny fanehoan-kevitra.
Hita sy tsapa fa tsy miray feo ny Ankolafy Telo fa toa samy manana ny lalany hahatongavana any amin’ny tanjona napetraka. Ny ankolafy Ratsiraka, ohatra, dia variana amin’ny fanomanana ny fahatongavan’ny amiraly, izay milaza fa tsy maintsy hody an-tanindrazana, ato ho ato. Ny ankolafy Zafy Albert dia tsy niova amin’ny mahazatra fa mahitsy fitenenana, ary ny Profesora Zafy manokana dia anisan’ireo ahian’ny FAT fa niray tendro tamin’ireo manamboninahitra nikomy teny amin’ny BANI. Ny ankolafy Ravalomanana izay hita taratra fa manana olana ara-pitantanana moa dia milaza fa vonona amin’ny fifampiraharahana ary tsy mandà ny hiditra ao amin’ny tetezamita saingy nametraka fepetra kosa. Mahakely finoana ihany anefa ny hahatanteraka ireo fepetra efatra napetrak’izy ireo raha ny fahitana ny fomba fijerin’ny FAT.
Ny sehatra iraisam-pirenena etsy ankilan’izany dia milaza fa tsy ara-dalàna ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina, kanefa tsy mahavita mitondra vahaolana matotra hamahana ny krizy. Ireo mpanao politika eto an-toerana moa dia mbola ny omaly tsy niova : mila omena karama matevintevina sy fiara aloha, dia ho hita eo ihany ny ho tohiny. Ny FAT moa dia manao izay tiany ary tsy mihontsona intsony amin’ny resaka mandeha etsy sy eroa fa mitohy ny azy ny lalana na inon-kidona na inon-kihatra, ny vola rahateo misy, araka ny filazan’i Andry Rajoelina azy, ary mahavita izay fifidianana rehetra tsy maintsy atao, no sady mbola hahafahana manao tetikasa hitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka (?). Ka asa hoe hanao ahoana ny ampitso ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.