Manomboka mivoatra ny fanaovana politika eto Madagasikara. Taorian`ny vela-kevitra nataon`ny antoko HVM dia maro no niandry ny tohiny.
Tatitra eny amin`ny kianjan`ny 13 mey mahakasika ny tsy fanarahan-dalàna ohatra. Fahazarana rehefa maneho hevitra ny mpanao politika dia fanonganam-panjakana no tanjona. Tsy nisy resaka fidinana an-dalambe, fanakorontanana firenena… izay no fomba nentim-paharazana rehefa mitady toerana ary tsikaritra teto amintsika izany. Maro ny fandikan-dalàna velona sy lalàmpanorenana eto amin`ny firenena ary naneho ny heviny ny antoko. Ny antoko TIM ihany koa dia nanavao ny fomba amam-panao eo amin`ny tontolo politika. Nampiakatra ambony ny adihevitra ny antoko izay tontolo politika izay. Nisy ny fihaonana etsy amin’ny Espace Yandy By Pass hataon’ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny antoko TIM. Ny tena tanjona dia ny fanamafisana orina ny antoko na fanomezana aim-baovao ka hijerena ny lesoka teo aloha hahafahana manarina azy. Izay fanavaozana izay anefa dia mahafanina ny olom-pirenena satria tsapa tao anatin`ny herintaona nitondran`ny fitondrana TGV ny firenena dia tahaka ny mpitondra fanjakana no mpanohitra eto amin`ny firenena. Antony, ireo olona mpanohitra sy eritreretina hanohatra dia tahaka tsy mpanohitra fa ny mpitondra fanjakana ihany no mitady hanohitra ho an`ny tenany. Raha ny lojika mantsy dia ny mpanohitra no mitabataba fa ny mpitondra fanjakana mitondra milamina miezaka manatanteraka ny fandaharan`asany ary miezaka mandamina ny zava-misy eto amin`ny firenena. Tsy izay anefa no misy fa ny fitondrana no manao ny asan` ny mpanohitra. Manaraka izay, ireo mpanohitra eritreretina hanao valifaty politika lasa milamina. Manomboka mipetraka eto amin`ny firenena ny tena fanaovana politika. Manana tanjona mba ahafahan` ny fitondram-panjakana manitsy ny hataony. Manana finiavana hanao politika, araka ny lalàna repoblikanina, ny mpanao politika. Mpanohitra mahalala ny andraikiny fa tsy milalao ao aantin` ilay kianja mpanohitrra hanao fanonganam-panjakana intsony. Mila manova fomba amam-panao, araka izany, ny fitondram-panjakana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.