Mitsingerina indray ity ny 13 mey. Nitsahatra talohan'izany i Manandafy Rakotonirina na "i Tranainy", hoy ireo mpitolona tamin'ny 1972.
Tsy misy mahakosoka an'i "Tranainy" sy ireo niara-nilofo taminy tamin'izany. Na eo aza ireo mamoromporona fitantarana samihafa. Mbola maro ny velona aina sy mahalala, hoy hatrany ireo vavolombelon’ny tantara tena izy, nosoloin-dRandriamora Gilbert tena tafaresaka tamin’ny mpanao gazety.
Afo tsy maty
Nampivoha lalam-panovana teto ny 13 mey 1972. Ankalazain’ny mpitolona rehetra mbola mijoro izany vaninandro izany. Na ny herin'adin'ny Frantsay nangeja mivantana teto tokoa aza voavaha noho ny 1972 (Tobim-pamaharana miaramila Ivato, Diégo). Be ny fanantenana nentiny. Be ny tsy vita. Misy ny mampiverin-dalana. Manova fijery ireo mpitolona tam-perin-dRotaka 1972. Otrikaina velona ny 13 mey matoa misy minia mandiso tantara na koa misy manora-tena ho ambovonan'ny tolona fe izao na koa mampiverin-dalana. Velona ny 13 mey ka tsy anateram-boninkazo an-kianja. Mpisorona afom-pitolomana izao no ilaina. Afom-pitolomana velona matoa tena mazava sy mafana. Mahalaza azy ity tononkalo noforonina tanora mpitolona tamin'ny 1972 hoe :"Endre kopakopaka saina mena, Faneva manainga ny Firenena, Faneva hatrakatraka volonady, Faingana Sakaiza, ry lahy tomady" (ONDATINDROY – Gazety Andry – Pilier 1972). Voamaintilany, tahaka ny zava-drehetra ny 13 mey, hoy ireo mpitolona vavolombelona nandray anjara tamin’izany ka ao anatin'ny mangidy ny mamy. Tsy takon’afenina fa sahirana fadiranovana ny ampahany betsaka amin’ny Malagasy amin’izao 2019 izao, izany hoe 47 taona aty aorian’ny tolon’ny 1972. Mbola manjaka ara-toekarena eto ny vahiny, naka toerana sady nametraka ny olony amin’ny sehatra maro ny mpanjanatany, toa tsy mandroso i Madagasikara fa miverin-dalana…Tsy mbola vita ny tolona fanavotana sy fanandratana ny hasim-pirenena. Mbola ady goavana ny hizarana ara-drariny ny harena misy eto. Tsy tokony hatao very maina, hoy ireo vavolombelon’ny 13 mey 1972 ny tolona natao, aoka tsy hohadinoina ohatra ireo vondron-jatovo Mpianatra. Nitsipaka ny "Sekoly miangatra" ireo. Niray antoka tamin’ny zana-bahoaka madinika natao faikam-boto. Niaraka nisorona aina niatrika ny F.R.S. sy ny basimarovava teny an-kianja. Nanolo-tena namondrona ny mpitolona ireo na dia tsy nisy mpihevitra azy ireo ho inona akory aza tamin'izany. Ireo koa no niara-nilofo sy niavo-tena tamin’ireo mpitolona. Niainga tamin’ny ZWAM faikam-boto (Zatovo Western Amical Malagasy) izany, niavo-tena nanjary ZOAM (Zatovo Ory Asa Mitolona) ary nihofaka dia izao mba isan'olom-pirenena, Raiamandreny misotro ronono. Fantatra avokoa ireo na ny lahy na ny vavy, ary mbola hita sy mora fantatra eny amin'ny seha-pitolomana samihafa eny ny famindrany. Loharano nipoiran'Antoko iray nanamarika ny tantaran'i Gasikara ireo.
Adihevitra mipetraka ihany koa anefa ny hoe : 1972, nisy tolona teo amin’ny kianjan’ny 13 mey; 1991 sy 1992 teo ny Hery velona; 2002 teo i Marc Ravalomanana sy ny TIM; 2009 niditra teo Andry Rajoelina sy ny TGV.Ary farany teo 2018 niara-dia ny TIM sy ny MAPAR…samy nilaza fa hanavotra ny firenena sy hanohitra ny tsy rariny ireo rehetra ireo...niha nahantra hatrany anefa ny Malagasy !
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.