Politique

Tolona amin’ny tsy fananan-tsata Miandrandra ny depiote ireo lasibatra


  • Talata 20 Oktobra 2020

Lavitra ezaka ny tolona amin’ny tsy fananan-tsata eto Madagasikara na ny “apatridie”,

 

 

 

hoy ny avy eo anivon’ny « Focus development association » , izay miady ho amin’ny fanafoanana izany tsy fananan-tsata izany omaly. Maro ireo tetikasa momba ny tolo-dalana efa naroson’izy ireo manodidina andinin-dalana maromaro ao anatin’ny sata mifehy ny maha olom-pirenena na « Code de la nationalité ». Nankatoavin’ny Antenimierandoholona tamin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Parlemanta Malagasy ny volana jolay 2020 izany ary efa nalefa any amin’ny Antenimieram-pirenena ny 3 Jolay 2020 teo io tolo-dalana fanavaozana io. Nanomboka ny aogositra teo ny fanentanana momba ny fandraketana ny fahaterahan’ny zaza niarahan’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana sy ny FDA nanatontosa ary notohanan’ny kaomisaria ambonin’ny firenena mikambana momba ny fitsoaham-ponenana na HCR. Zava- dehibe ny fanoratana ny zaza eny amin’ny Kaominina raha vao teraka mba hisorohana ny tsy fananany sata maha olom-pirenena. Miandrandra ny depiote, izay hivory manomboka anio mba handany an’io tolo-dalàm-panitsiana sy famenoana ny sata maha olom-pirenena io noho izany ireo lasibatra sy ny FDA ary ireo mpiara-mitolona aminy.

 J. Mirija

Legende: Efa an-taonany maro no nisian’ity ady ity teto Madagasikara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT