Nivoaka tamin’ny fahanginana indray ny FEDEP omaly notarihin-dRakotomalala Henri na Riribe , mpitarika ny gadra politika sy ny kolonely Behavana Jean Badpiste.
Feno 30 taona omaly mantsy ny nisian’ny tolom-bahoaka tamin’ny 10 aogositra taona 1991. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa hatreto aloha na inona na inona fanonganam-panjakana sy tolom-bahoaka natao teto amin’ny firenena dia mbola tsy nahitam-bokany izany. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny fiainam-bahoaka akory izany hoy Riribe fa toa herim-po very maina fotsiny ihany. Ekena hoy izy fa nisy ny gaboraraka nataon’ny mpitondra teo aloha saingy manana andraikitra amin’izany koa ny vahoaka. Tokony hisy hatrany hoy izy ny fanaraha-maso ireo mpitondra hataon’ireto farany fa tsy avela hanao izay danin’ny kibony izy ireo mba hahafahana manarina ny tsy mety. Ankehitriny hoy izy lalana efa tsy mahomby intsony izany ka ny famondronana ny hery izao no tena vahaolana. Ny fifanomezan-tanana amin’ny Fitondram-panjakana no tokony hataon’ny hery velona rehetra hoy izy tahaka ny hataonay FEDEP izay hanao izay kely voatsirambin’ny tananay ho fampandrosoana ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.