Fomba fanaon’ny mpitondra sy ny manampahefana ankehitriny ny manisika lalàna na fifanarahana hafahafa tiana hampiharina eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.
Efa nandeha teto izany fanolorana volavolan-dalàna momba ny fanomezana zom-pirenena ho an’ny vahiny, indrindra fa ny teratany karana, izay niteraka resabe tsy nifankahitana, ka dia iny somary nangingina iny aloha. Vao tsy ela ny raharaha fanasisihana ny volavolan-dalàna momba ny fanomezana alalana ny fanalana zaza no ny antony ara-pitsaboana na ITG (Interruption Thérapeutique de la Grossesse) izay niteraka fanoherana maro samihafa. Hatramin’ny fiangonana aza dia nijoro avokoa ny ankamaroany, fa tsy mila lalàna izany, zavatra efa misy, ary ny fanomezana vahana azy amin’ny alalan’ny lalàna dia varavarana midanadana amin’ny fikoloam-pahafatesana,… Taorian’ny fanoherana maro samihafa dia iny nangingina indray aloha iny resaka iny. Vao herinandro indray ilay raharaha fikasana hanome ny fitantanana ny valanjavaboaharin’I Tsimbazaza ho an’ny orinasa karana. Tsy tahotra tsy henatra amin’ny fikatsahana fifanarahana tolo-botsotra na “gré à gré” tsy misy antso tolo-bidy na “appel d’offre”. Iny karazan’ny nihemorana iny indray aloha taorian’ny fanoherana sy ny grevin’ny mpiasa,… Mahagaga fa mifanipaka ihany koa ny firesaky ny manam-pahefana satria ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony nilaza ny 18 novambra taorian’ny fifampidinihana tamin’ny solontenan’ny mpiasa sy ny mpikaroka, fa “ nifanaiky ny fanafoanana ny fanomezana ny fitantanana ny PBZT ho an’ny Vondron’orinasa Axian” izy ireo. Ny minisitra ny fampianarana ambony nilaza ny 19 novambra fa mbola eo am-pandinihana ary mbola tsy nanome valiny ho an’ny Axian izy ireo. Ny an’izany izany no marina? Rehefa tena halalinina ireo fifanarahana tiana hatao sy tolo-dalàna tiana hapetraka, toa misy ifandraisany amin’ny vahiny sy fanomezana toombotsoa mivantana na ankolaka an’ireo hatrany, matetika mamofompofona famarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka, fampidirana kolontsaina vahiny indraindray toa mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy. Tsy ny fifanarahana sy ny fiaraha-miasa na ny fametrahana lalàna iray no ratsy, fa ny zavatra tsy mangarahara sy ny mety ho ambadika avo lenta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.