Politique

Toliara Mijoro “Rariny ny hitantanan’ny Pr Zafy Albert ny CNR”


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Efa hatramin’ny taona 20O2 no nananganan’ny Profesora Zafy Albert ny CRN, izay nitakiany sy nitolomany ny hisian’ny fahamarinana sy fampihavanam-pirenena ary ny amnistia na famotsoran-keloka ho famoahana ny gadra politika rehetra, hoy ny Toliara Mijoro.

Koa raha amin’izao vaninandro izao, hoy ity farany, no hatsangana ny Vaomieran’ny fampihavanam-pirenena na CNR izay hitaky ihany koa ireo foto-kevi-dehibe ireo, dia rariny loatra raha izay namono ny voay no hiravaka ny vanginy. Nampahatsiahy ny Toliara Mijoro, izay nivory tao Toliara ary namoaka fanambarana iraisana, fa ny fanapahan-kevitra lany, niarahan’ireo Ankolafy efatra, natao sonia teo anatrehan’ny Fanelanelanana iraisam-pirenena dia efa nametraka rahateo ny Profesora Zafy Albert ho Filoha mitantana ny CNR, izy rahateo dia eken’ny Malagasy rehetra fa tena raiamandreny sy rain’ny demokrasia.

Manoloana ny raharaham-pirenena ankapobeny dia mitaky ny famoahana ny gadra rehetra noho ny raharaha politika indrindra fa ny zanak’i Toliara isany Tsianihy Sazalahy, Mandaso dit Marin, Rabeony, Evaharany, Rafilo sy ny tariny sy ny any an-toeran-kafa, Atoa Pasitera Tsarahame Edouard sy ny namany, tsy misy hatak’andro sy tsy asiana fepetra ny Toliara Mijoro. Mba hialana amin’ny fisavoritahana toy ny misy any Soudan sy Cote d’Ivoire dia takianay, hoy ny Toliara Mijoro, ny hiverenan’ireo ankolafy Politika rehetra amin’ny dinika an-databatra boribory hamaranana ny krizy nahazo an’i Madagasikara izao fa efa mijaly tsy eran’ny aina loatra ny vahoaka.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Ny Profesora Zafy Albert, eken’ny Malagasy rehetra fa tena raiamandreny sy rain’ny demokrasia

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT