“Voahaja ihany ny toky nomena izay nosoniavin’ny 70%-n’ireo kandidà solombavambavambahoaka”, araka ny resaka nataon’ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy (CFM) ny sabotsy lasa teo teny Alarobia.
Na izany aza, niaiky i Maka Alphonse fa nisy ny indrokely, izay mila harenina. Tsy tako-nafenina rahateo ireo fitarainana nataon’ireo kandida maro momba ny fisian’ny hosoka tany amin’ireo distrika maro teto Madagasikara. Tsy afaka hilaza kosa ny CFM fa ireo tsy nanao sonia ny toky nomena ireny nihoa-pefy ireny, fa azo lazaina fa nisy tamin’ireo kandida nanao sonia izany, no tsy nanaraka akory izay voarakitra tao anatiny. Olana anefa ho an’ireo komitin’ny toky nomena ny tsy fananan’izy ireo fahefana hanasazy ireo mpandika izany fa dia mionona amin’ny tatitra fotsiny ihany izy ireo. Na eo aza izany dia nilaza ny filohan’ny CFM fa tao anatin’ny fitoniana no nanaovana ny fifidianana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.