Politique

Tokony havela malalaka hanao ny asany ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina amin’ny fanendrena izay olona heveriny fa afaka hiara-miasa aminy.


  • Sabotsy 01 Martsa 2014


Famonoana ny Malagasy ny fanohizana ny ady seza sy adilahy politika. Tsy ilaina ny famingampinganana ny filoha lanim-bahoaka. Manentana ireo tsara sitrapo hanampy ny filohan’ny repoblika tsy ho kivy amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asany ho amin’ny fanarenam-pirenena. Havela malalaka ihany koa hiaraka hiasa amin’ireo izay vonona hanolo-tanana azy. Nofintininy tamin’ny teny hoe Fahavalom-pirenena ireo mitady hampihemotra ny fanovana ho amin’ny tsarasara kokoa ny fanarenam-pirenena. Anisan’ny nambaran-dRtoa Raoeniharisoa Nirina, filohan’ny fikambanana LAFA ireo raha nitafa ka nanome ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny tenany. Ho an’i Tôlagnaro manokana dia io resaka politika io no mibahan-toerana amin’izao fotoana. Ny mpanao politika no mamono ny Malagasy 20 tapitrisa, hoy hatrany ity filohan’ny fikambanana LAFA ity, hany ka hadino ny resaka fampandrosoana sy ny asa sosialy indrindra ny fandriampahalemana.

Natiora OTH

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT