Politique

Tojo Ravalomanana Anaty lisitra mainty ?


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Na dia maro aza ny fanakianana sy grevy etsy sy eroa, dia mbola mijoro ihany aloha ny tetezamita tarihan'i Andry Rajoelina.

 Nahazo aina kely mihitsy aza ny FAT rehefa vita sonia ny tondrozotra ny 17 septambra 2011, satria nanomboka teo dia neken'ny sehatra iraisam-pirenena ny mpitondra tetezamita eto Madagasikara. Mafy ny nanjo ny mpanohitra nandritra ity tetezamita ity, satria vao mihetsika dia lakrimozena sy daroka vody basy, ireo izay miseho be vava sy mafy loha moa dia alefa maka saina kely any am-ponja aloha. Telo taona nanambarana ny fiverenany an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana kanefa tsy mbola nety tafiditra teto aloha hatramin'izao, noho ny paikady maro samihafa natao tany ambadibadika tany, ary na ny fianakaviany aza dia niharan'ny antsojay. Niaraha-nahita ny fihetsiky ny mpitandro filaminana tamin'i Lalao sy Tojo Ravalomanana.

Misy antony mazava ny mahatonga izany sakana sy fingana mihatra amin'ny fianakaviana Ravalomanana izany. Efa nisy resaka nivoaka mantsy fa raha sanatria ka tsy tafaverina eto mihitsy i Marc Ravalomanana dia mety ny vadiny na ny zanany lahihaivo (ndlr : Tojo Ravalomanana) no hisolo azy, ka ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Misy vondron'olona manana fahefana sady manambola, anefa tsy manaiky ary tsy hanaiky izany mihitsy, noho ny antony maro samihafa koa dia, izay angamba no mety hisian'ny antsojay sy filam-baniny amin'ny fianakaviana Ravalomanana. Fantatra fa tena manelingelina tanteraka ny sasany amin'izay fanangonan-karena, tiany hatao eto amin'ity firenena ity, ny fianakavian'ny filoha teo aloha, ary tsy maintsy hikaroka ny fomba rehetra hanilihana, na hanapotehana izany anarana hoe Ravalomanana izany, ireo vondron'olona ireo. 

Ny mahakasika an'i Andry Rajoelina moa no matetika mivoaka amin'ny fampahalalam-baovao, fa raha araka ny tsiliantsofina re dia efa maromaro ihany koa ny fikasana hamono an'i Marc Ravalomanana sy ny zanany lahihaivo Tojo Ravalomanana, ary dia efa anaty lisitra mainty toa an’ny Dr Randriamiandrisoa Joseph, raha ny feo mandeha. Endrika faratampony amin'ny fanapotehana olona moa izany, rehefa tsy hita intsony izay hifehezana na hanapenam-bava azy. Tranga misy any amina firenena maro izy io. Teto Madagasikara koa aza dia efa nisy ny filoham-panjakana am-perinasa novonoina mba tsy ho lasa lavitra, dia ny kolonely Richard Ratsimandrava. Tamin'ny 2009 dia efa nisy ny tetika maizina saika namonoana an'i Marc Ravalomanana, saingy tsy tanteraka izany, ary izay indrindra no nahatonga ity filoha teo aloha ity tsy maintsy niala teto Madagasikara, satria fantatra fa tena tsy misangy ireo andian'olona saika hanatanteraka izany asa ratsy izany. Fony izy mbola filoham-pirenena koa aza, dia efa nisy ny fikasana hitifitra azy tany am-piangonana, sy hanjera ny fiaramanidina Air Force One tamin'ny alalan'ny tifitra amin'ny "lance rocket", saingy tsy tanteraka avokoa izany rehetra izany, noho ny fahazoam-baovao haingana. Ankehitriny, tsy mbola mahafa-po ny sasany ny nampirodana ny fitondran’i Marc Ravalomanana fa dia mbola tadiavina hovitaina tanteraka izy sy ny fianakaviany izay manana eritreritra hiakatra eo amin'ny fitondrana. Araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia soa ihany, fa mailo i Tojo Ravalomanana tamin'ny fahatongavany teto Madagasikara fa raha tsy izany, efa mety zavatra hafa no nitranga.

Re ihany koa izao fa nisy tetika hafahafa tao ambadiky ny fidinan'ny mpitandro filaminana tany Manjakatompo Andranomanelatra, tamin'ny fisavana ny trano fonenan'i Tojo Ravalomanana, satria nisy ny andian'olona (sivily) saika hamono mihitsy ity zanaka lahiaivon'Atoa Ravalomanana ity. Ny tetika tamin'io, raha araka ny tsiliantsofina re dia natao izay hahatezitra sy hampikorontana ireo vahoaka nanao andrimasom-pokonolona, ka mandritra ny savorovoro no hamitana ny "mission". Soa ihany moa fa nahay nanindry fo ireo vahoaka na dia efa niakatra ambony ihany aza ny maripana. Koa mipetraka ary eto ny fanontaniana : iza marina no ao ambadik'izany rehetra izany ? Nahoana no tsy maintsy potehana ny fianakaviana Ravalomanana ? Iza no mahita tombontsoa amin'izany ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT