Tsy hitan’ny karatra fa lasa fitaovana politika fotsiny hatramin’izao ny fanamboarana ny tohodranon’i Dabara miantoka ny fampihodinana ny toekarena sy ny famatsiam-bary amin’ny Faritra Menabe iny.
Nilaza anefa ny filohan’ny FAT tany Bevoay nandritra ny fanaovan-tsonia amin’ny hanamboarana indray ny vavarano Bas-Mangoky, fa ho avy tsy ho ela ny anjaran’i Dabara izay hiaraka amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9 (Toliara sy Befandriana Atsimo), vatsian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) vola 30 tapitrisa dolara miaraka ny tetikasa. Tamin’izay no nilazan’ny filohan’ny tetezamita fa “iankinan’ny fihariana goavana any amin’ny Faritra Menabe ny tohodranon’i Dabara, saingy betsaka ny olana”.
Velaran-tany 11.000 ha no miankina tanteraka amin’io tohodrano io ankehitriny nefa tsy ampy ny rano, tsy araka ny tokony ho izy ny fandehany. Manampy trotraka izany ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka maina ny ankamaroan’ireo tanimbary sy tanimboly. Manjaka ihany koa ny halatra rano sy ny fanodinkodinana sasany izay vao mainka manasaro-javatra. Tokony hapetraka, hoy ireo Fokonolona any an-toerana “ny mangarahara amin’ny fampiasana ny haba alaina amin’ireo tantsaha mpampiasa rano, mba hampazoto azy ireo mandoa izany, hiantohana ny fikojakojana ny lakandrano. Tokony hampiharina amin’ireo mpangalatra rano koa ny dina”. Manampy trotraka izany ny krizy politika misy eto amin’izao, tsy mamparisika ireo mpamatsy vola hamitana ny asa fanajariana azy.
Midika izany fa tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fanjakana hatramin’izao ny fanajariana io tohodrano io sy ny lakandrano simba, na dia nisy aza ny fampanantenana. Ho tonga moa ny fifidianana ka hatao sy lasa «fitaovana politika» indray ny fanajariana ny tohodranon’i Dabara.
Manoloana ireo olana rehetra ireo, dia tsy ampy sy mijaly rano ireo seha-pambolena isan-karazany. Ny voly farin’ny SUCOMA mila rano 1,8 m3/s nefa tsy misy afa-tsy 1 m3/s monja isaky ny roa na telo andro. Araka ny filazan’ny teknisianina iray, tamin’ny fanadihadiana nataonay tany an-toerana “raha vita ny fanajariana ny tohodranon’i Dabara, dia tokony hamoaka rano 16 m3/s”. Mihevitra ireo teknisianina fa ny fanodinana ny fivoahan’ny rano aloha no vahaolana, na dia ampahany amin’ireo velaran-tany ihany no mety tratran’izany. Nohamafisin’izy ireo fa “samy tompon’andraikitra amin’ny fampandehanana ara-dalàna io tohodrano lehibe io ny rehetra na dia mahazo tsiny matetika aza izahay”.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.