Politique

Tofoka hatramin-dRajoelina Hiova rahampitso ny governemanta farafahafatarany


  • Zoma 11 Martsa 2022

Hiditra amin’ny fanovana governemanta izay efa faninefany amin’ity ny Filoha, ary ho endrika fahadimy taorian’ny fanendrena voalohany ny 24 janoary 2019 io.

Rahampitso sabotsy izao farafahatarany ny fanovana, raha ny loharanom-baovao. Voalaza fa tezitra mafy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina noho ny afitsok’ireo mpikamban’ny governemanta. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitondram-panjakana, dia nisy minisitra izay sahy nandrohana ampahibemaso ny filoha tamin’ny fidinana ifotony nataony ; eo ihany koa ny resabe niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera tena nahatezitra ny filoha izany, tsy fitovian-kevitra amin’ny fanapahan-kevitry ny minisitra,… Nandon-databatra mihitsy ny filoha raha ny fantatra nandritra ny fihaonany tamin’ny governemanta farany teo. Nisy ny filankevitry ny minisitra manokana , ny alarobia 09 febroary teo ary minisitra vitsivitsy ihany no nanatrika an’io, raha ny fantatra dia ny Minisitry ny mponina, Minisitry ny angovo, Minisitry ny fanajariana ny tany, Minisitry ny rano, Minisitry ny tontolo iainana, Minisitry ny serasera, Minisitry ny fahasalamana, Minisitry ny fambolena, Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Toa efa misy endrika sivana io? Midika ve izany fa ireo no ho voatazona sa ireo no voakasiky ny tena lahadinika? Aiza ny minisitry ny raharaham-bahiny, atitany, fiarovam-pirenena izay samy minisiteran’ny fiandrianam-pirenena. Misy minisitra sokajiana ho tsara toerana ihany tsy voatonona amin’ireo voalaza fa nanatrika, ary ny departemantan’izy ireo aza nandraisana fanapahan-kevitra. Tao anatin’ny tatitry ny filankevitry anefa dia nisy fanapahana niainga avy amin’ny soso-kevitry ny Minisiteran’ny atitany, narahina fanendrena tompon’andraikitra ambony, izay toa midika fa tsy ho voakitika amin’ny toerany ny Minisitra Pierre Houlder. Nisy fanendrena olona ambony ho an’ny Minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, ny Minisiteran’ny asa tànana sy ny haitao, ary tao amin’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Isan’ireo mampametra-panontaniana kosa ny minisitry ny filaminam-bahoaka hoe: nankaiza koa no tsy voaantso tamin’ity filankevitra manokana ity? Misy minisitra tsy hita sy tsy re feo mihitsy, toa manaporofo hatrany izao fa kitoatoa ny fitantanana ny firenena, ary na dia ireo manam-pahefana ambony ao amin’ny fahefana mpanatanteraka aza dia misy tsy matotra ary mety efa tsy manaiky mandray toromarika intsony avy amin’ny filoham-pirenena kanefa tsy izy ihany ve moa no nanendry ireo ? Tena mahagaga sy mahavalalanina ary tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona!? Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT