Politique

Toerana sy firenena tena stratejika 2 taona tsy voatendrin’ny Filoha ireo Ambasadaoro


  • Alakamisy 25 Febroary 2021

Roa taona izay no nahazoan’i Andry Rajoelina indray ny fahefana maha Filoham-pirenena azy.

 

 

Hatramin’izao, tsy mbola voatendriny ny ambasadaoro any amin’ny ankamaroan’ireo toerana manan-danja sy stratejika amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ka isan’izany ny any Washington , New York, ary Afrika Atsimo. Ny atsy Afrika Atsimo, ohatra, dia raharaha goavana ilàna diplaomasia mafonja ny resaka volamena 73,5 kg saingy tsy manana masoivoho any isika, fa mpiraki-draharaha. Rtoa Vololomiora Rabarijaona no miantsoroka izany, izany notendrena vonjimaika ho mpiraki-draharaha any Pretoria ny novambra 2019, izay tsy afaka tena misolo ny asan’ny Ambasadaoro kanefa sady solontenan’I Madagasikara eo anivon’ny SADC izay isan’ny nanasazy ny fanjakana tetezamita tamin’ny fandrombaham-pahefana ny 2009. Tsy tena manana Ambasadaoro ihany koa isika any Etazonia, ary tao anatin’ny Fanjakan’I Donald Trump no efa nomena toromarika ny hanendry izany, rehefa nanendry an’Atoa Michale Pelletier ho masoivohony eto ny Bekintana. Somary mametraka fepetra ny Amerikanina, ka isan’izany ny hoe olona nianatra tany Etazaonia. Ny masoivoho Malagasy any an-toerana no miantsoroka ny rohy sy ny fifandraisanaihany koa amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena (BM) izay manana ny foibeny ao Washington rahateo. Mpiraki-draharaha dia Rtoa Bako Rakotonirainy, vadin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Nicolas Rabemananjara no miantsoroka izany amin’izao. Tsy tena misy ihany koa ny Solontena maharitra ihany koa I Madagasikara any amin’ny Firenena Mikambana (ONU) manana ny foibeny any New York,… Ampahany ihany ireny, izay ahafahana manao tsoa-kevitra amin’ny fananan’ny Fanjakana Rajoelina olana goavana ara-diplaomatika. Marefo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena noho ny antony maro, ka isan’izany ny sary ratsy navelan’ny tetezamita, ny tsy fananan’olona,… izay lasa sakana amin’ny lafiny maro: fiaraha-miasa, famatsiam-bola, fanampiana, tohana,… Sarotsarotra ny hisiana fahagagana, raha tarafina amin’ny sary nahafantarana ny Fanjakana rehefa nandray fitantanana I Andry Rajoelina, izay toa nihemotra hatrany na taorian’ny fanonganana an-dRavalomanana, na ny fialan’i Hery Rajaonarimampianina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT