Hafahafa sy mahavalalanina ny toe-draharaha mikasika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC amin’izao fotoana.
Fa misy inona marina no misy fahabangana. Tsy tonga ny mpikambana iray Atoa Noelson William ny 08 aprily nanaovana ny fianianana ; tsy nipoitra ihany koa ny Zokiolona indrindra Atoa Florent Rakotoarisoa ny talata 13 aprily kanefa izy no tokony hitarika ny fivoriana hanomanana ny fifidianana izay ho Filoha. Tsy fahasalamana ve ? misy tratry ny valanaretina covid-19 ? Sa antony hafa mihitsy ? Tsy misy fanazavana sy fampitam-baovao ofisialy. Tsy mba fomba fiasa mihitsy ve izany ny mangarahara eto amintsika. Ny HCC anefa dia ilay andrim-panjakana sokajiana ho faratampony afaka mandamina sy mandravona ny toe-draharaha politika eto, toa izy indray anefa ity no hafahafa fiainga. Efa fambara zavatra izao, hoy ny fomba fitenin’ny Malagasy izay. Tsy mbola fahita hatramin’izay io, ary tsapa ho misy toe-javatra hafahafa mikasika ny HCC. Mety misy fiovan-javatra amin’izay heverina hatao ho filohan’io andrim-panjakana io ve ny zava-misy ? Raha ampitahaina amin’ny governemanta, ohatra, dia hoe: tsy hita ny Praiminisitra tokony hitarika ny filankevitra, tsy misy tatitry ny filankevitry ny governemanta ka dia vitavita ho azy tsy misy fanazavana ve? Voizina eto amintsika ny hoe mangarahara, tsy fitanilana, asa am-pahitsiana,… saingy mahalasa saina sy mahavalalanina ihany hoe: tena misy an’izany marina ve amin’ny fomba fiasan’ny andrim-panjakana eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.