Politique

Toe-draharaham-pirenena Nifampidinika ireo Andriana manerana ny nosy


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Nihaona tetsy Ambohipotsy ny sabotsy teo ireo Andriana manerana an’i Madagasikara.

 

 

 Fotoana izay notarihin’ny Antenimieran’ny Andriana eto Imerina. Araka ny fanazavana dia ny fahatsapan’izy ireo fa tsy tokony hangina manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena no naneken’izy ireo ny fanasan’ny Antenimieran’ny Andriana teny an-toerana. Saika voasolo tena teny an-toerana daholo moa, raha ny fanamarihina, ireo andriana rehetra na dia voatery noferana noho ny fepetra ara-pahasalamana mbola tsy maintsy hajaina aza. Resy lahatra ireto Andriana ireto fa ny tsy fahalalan’ny Malagasy ny tantara tena marina momba ny fireneny no mahatonga antsika tsy mety tafavoaka ny fahantrana mandrak’anio. Nisy noho izany ny dinika nifanaovan’izy ireo hijerena izay paikady hahatongavana amin’izay fampalalana ny Malagasy ny tena tantaram-pireneny izay. Notsaroana tamin’iny fotoana iny ihany koa moa ny 27 febroary 1897, izay nanaovana sesitany ny mpanjaka Ranavalona fahatelo.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT