Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena raha ny zava-misy ankehitriny. Miakatra ny maripana eo amin`ny tontolo politika. Mifampiandry ny mpitondra sy ny mpanohitra amin`izao.
Ny fitondrana manamarina ny toerany, manana tombontsoa hitazomana ny fitoniana mba ahafahana manatanteraka ny velirano. Ny mpanohitra kosa manana paikady ka mitsongoloka ny tsy fanarahan-dalàna mitambatra eto amin`ny firenena. Na dia teo aza ny fanazavana samihafa dia izay voalaza am-boalohany ihany no voatazona. Maro ny zavatra maromaro mitambatambatra mandrehitra afo ao anatin`ny sosialim-bahoaka. Hanomboka ve ny krizy aorian`ny fifidianana (crise post-électorale) ? Miseho amin`ny endriny hafa ny krizy ateraky ny fifidianana satria herintaona sy tapany aty aorian`ny fifidianana filoham-pirenena no nipoitra ny marina. Efa tonga eny anivon`ny iraisam-pirenena ankehitriny ny zava-misy eto amin`ny firenena. Inona no mety ho tohiny ? Samy miandry ireo mpanara-baovao sao hisy indray fifampiraharahan’ny firenena na fiaraha-mitantana na zaraina ankolafy ireo hery politika eto amintsika. Raha mikorontana ny politika dia mitarika ny krizy eo amin`ny sosialy sy toekarena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.