«Aza gaga isika raha hody hangingina ilay olona iny amin’ity», hoy Ralaiseheno Guy Maxime raha niresaka momba an’i Andry Rajoelina izay lasa niatrika fivorian’ny Firenena Mikambana, any New York.
Mazava ny an’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy i Guy Maxime : «tsy mahazo mirotsaka hofidiana i Andry Rajoelina ary misy lalàna fototra mandrara izany ; tsy maintsy miverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara ary dia mahazo mirotsaka i Marc Ravalomanana satria filoha naongana izy». Na inona na inona fizirizian’i Andry Rajoelina sy ny namany dia tsy maintsy hiafara amin’ny fanalana an-dRajoelina ny fizotry ny zava-misy amin’izao fotoana izao, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime izay nanamafy fa ny tahotr’i Andry Rajoelina an’i Marc Ravalomanana no anton’izao rehetra izao, isan’izany ohatra ny fikonokononana fifidianana kitoatoa. “Mariky ny tanjakak’i Marc Ravalomanana izany”, hoy izy.
Ankoatra izay dia nankahery ireo mpiara-mitolona aminy i Guy Maxime satria dia nambarany fa tolona ho amin’ny tsara, ho amin’ny fahafahan’i Madagasikara, fijoroana ho amin’ny fahamarinana no atao etsy amin’ny kianjan’ny Finoana isan’andro. Tsy maintsy hisy vokany izany, hoy izy. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas moa izay fankaherezana sy fandrisihana ireo mpiara-dia izay. «Raha isika no tsy miorina sady hiova dia ho potika ny firenena», hoy ity filoha lefitry ny Kongresy ity. Hamerina ny ara-dalàna, hamerina ny filoha Ravalomanana, izay no tanjona, hoy izy. Ekena fa mafy ny fiainana, hoy ihany i Zafilahy Stanislas saingy noho ny fitiavan-tanindrazana no hijoroana ary efa tsy ho ela intsony dia ho vita ny tolona. Noho izany dia mila firaisankina sy firaisan-tsaina izany. Ankoatra izay dia nanao karazana tsiahy momba ireo mpamadika palitao, niara-dia tamin’i Marc Ravalomanana. Hatramin’izao, hoy izy dia mbola misy misakatsakana ny fodian’i Marc Ravalomanana ary ireo misakana dia tsy iza, hoy ihany Zafilahy Stanislas fa olona milaza fa mpomba ity filoha teo aloha ity.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.