Politique

Toe-draharaham-pirenena Hafahafa ny tsio-drivotra politika sy diplaomatika


  • Zoma 29 Jolay 2022

Izay miteny sy manakiana na manaitra eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena mikorosy fahana toa tondroin’ny Fanjakana ankehitriny fa te hanongana sy haka ny toerany avokoa.

Tsy takona hafenina anefa, fa tena tsy voafehy sy tsy voavaha intsony ny olana mianjady amin’ny firenena: toekarena, sosialy, vidim-piainana, fifidianana, diplaomasia,… Izay mihetsika lazaina fa manankorotana sy mikotrika fanonganam-panjakana. Maro anefa ny fampanenoana lakolosy misy amin’izao fotoana izao avy amin’ny hery samihafa izay tsy ho voatery ho hery ara-politika. Ao raha matoa ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) nampaneno lakolosy, ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM niantso fifandeferana, famahana olana, fampandeferana ireo fandaniam-bola sy tombotsoa mihoapampana tsy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka,… Ao raha matoa hatramin’ny Vondrona Iraisam-pirenena no mametraka ahiahy amin’ny toe-draharaha politika miseho eto Madagasikara, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Mandeha any ambadika ny fakan-kevitra sy ny fampiantsoana ataon’izy ireo amin’ny herivelona samihafa toy ny antoko politika ataon’ny sehatra iraisam-pirenena. Miharatsy ny sary ho an’ny Fanjakana Rajoelina, indrindra fa taorian’ny zava-niseho ny sabotsy 23 jolay tetsy ivelan’ny Magro Behoririka. Manara-maso ireny ny iraisam-pirenena, ary manana loharanom-baovao maro sosona mikasika ny toe-javatra miseho eto Madagasikara.
TEFA-TSOFIN’NY IRAISAM-PIRENENA
Mifono fampitandremana lalina ny fomba firesany. Ireny niaraha-nahita ireny ny karazana tefa-tsofina mivaivay hoe: diplaomaty avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena no manakiana an-kolaka any anaty lapam-panjakana momba ny olana ara-tsosialy miseho sy tsy voavaha tahaka ny delestazy, ny diplaomaty sasany miteny fa tokony hakana lesona ny zava-niseho teto Madagasikara hatrizay,... Ny fivoriana sy ny fanambaran-kery ara-politika any ambadika any mandeha ihany fa tsy manaiky resy. Toa minia mikipy na koa mampahery tena ny Fitondrana ankehitriny, fa mbola mamim-bahoaka, mbola mahavory vahoaka, mbola manana basy,… Te haneho an-tsary fa na eo aza ny menomenona samihafa miseho, mbola maro ny mpanohana sy te hamerina azy eo amin’ny fitondrana. Ny sosialy sy toekarena miha milentika, ny lafiny politika miha mangotraka,… Hahomby foana ve ny don-tandroka sy ny fampanekena fa izao no mety? Haharesy lahatra ny zavatra volomboasary tokanana arahina serasera be ka tsy olana na mikorosy fahana aza ny toekarena ary mitotongana ny fari-piainana? Mandady ny trambo, miharatsy ny fandehan-draharaha ka asakasan’izay minia jamba! Mety tsy ho hita anio sy rahampitso ny fiantraikan’ny tsio-drivotra politika sy diplaomatika fa mialoha kely, na mandritra sy aorian’ny fifidianana iaraha-mahita eo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT