Politique

Toe-draharaha politika miha mamay Nahetsika hiaro ny fitondrana i Rossy


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Omaly, nanadritra ny fizarana fanampiana ho an’ ireo mponina avy amin’ny fokontany miisa 33 ao amin’ny boriboritany faha 4 manoloana ny tranga nateraky ny toetr’andro farany teo sy ho fiomanana sahady manoloana ny

 rivodoza izay ho avy no nanararaotra niresaka politika ka naneho ny heviny ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy. Aza mifabarabara isika hoy izy mantsy ny mpanohitra fa izahay, ny tenako aza dia nitolona an-kianja mba nahafahan-dRavalomanana ho kandida tamin’ny fifidianana farany teo.Aoka ihany koa tsy araraotina sy avadika ho politika ny fahasahiranam-bahoaka misy amin’izao fotoana hoy ity olomboafidy Mapar teny amin’ny boriboritany faha 4 ity ka vao misy zavatra kely dia hoe tsy mahay, tsy mahavita azy ny fitondrana.Elaela tsy re feo ny depiote Rossy dia izao nipoitra izao indray ; heverina fa tsy tongatonga ho azy izany fa efa nomanina mihitsy satria miha mahery vaika ny fanakianana mahazo ny fitondrana Rajoelina, ary ireo olom-boafidy na olom-boatendry miezaka ny manazava sy miaro ny fitondrana dia tsy maharesy lahatra firy ny olona intsony. Ny antony dia satria nitombo ny fahasahiranana tato anatin’ny 3 taona nitantanan’i Andry Rajoelina ny firenena, ka na hiresaka hoe andro ratsy sy valanaretina aza ny fitondram-panjakana hiarovan-tena dia efa tsy mino, tsy mahatoky intsony ny maro.Zavatra tsy tokony hahagaga izany na hampisendoatra ny olon’ny fitondrana satria be loatra ny fampanofisana sy fampanantenana nandritra ny propagandy, dia tao ireo nihevitra hoe tena hanao fahagagana mihitsy izany ity kandida laharana faha 13 ity raha vao mahaz fahefana eo. Inona akory ny teo fa fitomboan’ny fahasahiranana no tena nisy. Tokantrano an-jatony maro moa no nisitraka ny fanomezana, izay nahitana vary miisa 50 kitapo, siramamy 2 kitapo, menaka 10 boritra, labozia 50 fonosana ary tsaramaso 5 kitapo. Tazana teny Mahamasina omaly ankoatra ny depiote Rossy ny minisitry ny fitaterana Tinoka Robero sy ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT