Politique

Toe-draharaha politika Miakatra hatrany ny maripana


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Efa miala tsikelikely amin` ny tahotry ny valanaretina “coronavirus” isika eto Madagasikara.

 

 

 

 Na dia efa tonga saina ny tsirairay fa misy ny aretina sy ny fiparitahan` izany dia miezaka miara-miaina amin` izany ny Malagasy amin`ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana samihafa. Miatrika ny aorian`ny krizy amin` izay isika izao. Miandry ireo fanapahan-kevitra ho raisin`ny fanjakana ary indrindra ny fomba hitantanany eo amin` ny fanarenana ny toekarena izay nisedra ny mafy nandritra ny dimy volana noho ny fihibohana. Etsy ankilany dia miverina miakatra kianja ireo mpanao politika. Mipoitra indray ireo hery politika samihafa raha nihiboka ny ankamaroany teo aloha teo. Ny an`ny fitondrana dia mazava: miroso amin` ny fanatanterahana ireo tetikasa nampanantenainy. Ny fifidianana loholona, ohatra, dia hotanterahina amin` ny volana desambra izao. Mitsipaka mafy izany kosa ny fanoherana. Porofon` izany ireo fitoriana maro eny anivon` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Torak` izany koa ireo fiarahamonim-pirenena. Raha ny valin-kafatra avy amin` ny fitondrana aloha dia manambara fa hikiry amin` ny fanatanterahana izany izy ary mitsipaka ireo karazana fanoherana samihafa. Ankoatra izay, miakatra koa ny mari-pana eo anivon` ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izay mikasa hametraka ny drafi-pandaminana vaovao. Efa nisedra ny tsikera andiany voalohany ny ben` ny tanàna Naina Andriantsitohaina nandritra ny famelabelarana ny fitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana eo amin` ny CUA (Code d`hygiène municipale). Tsy maintsy mitondra fanazavana sy serasera goavana amin` ny mponina eto Antananarivo amin`ireo fehezam-pitsipika samihafa ny eo anivon` ny fiadiadin` ny tanàna. Ny fanapahan-kevitra amin`ny fandaminana ireo mpivarotra ihany koa dia mbola ady hafa ihany koa ho an` ny CUA. Ohatra ny korontana tetsy amin` ny tsenan`i Mahazo ny zoma lasa teo. Ny fialàna tsikelikely amin` ny valanaretina Covid 19 aloha dia manome vahana ny ady eo amin`ny fitondrana sy ny mpanohitra. Miha mafy rahateo ireo adihevitra sy miakatra ihany koa ny maripana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT