Ny valim-pifidianana ofisialy avoakan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) no andrasana fa raha ny vokatra eo am-pelatanan’ny kandida Andriamampandry Todisoa sy i Fehizoro Andriamananjezika eny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, dia mandresy amin’ny fomba mazava ary manao poa-droa izy mirahalahy ireo.
Nandresy tamin’ireo fokontany 31/31 saika tamin’ny elanelam-bato lavitra be mitaha amin’ny mpifanandrina taminy ireto kandidan’ny TIMK25 ireto, ary tsy mbola nisy tahaka izany tao anatin’ny tantaran’ny fifidianana depiote tao amin’ny boriborintany faha-6, hoy i Todisoa Andriamampandry. Tsy ampy antsasamanilan’ny vato sy ny isan-jato azon’izy ireo ny an’ny kandida mpifanandrina raha ny voka-pifidianana feno eo am-pelantanany niainga tamin’ny fitanana an-tsoratra. Miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana anefa izy ireo sy ny vahoakan’ny boriborintany faha-6, izay miandrandra ny fahadiovan’ny fikirakirana ny vokatry ny latsa-bato.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.