Nofaranana omaly alahady 12 mey ilay « Tournoi Amboma Misoma » Inter-fokontany izay karakarain'ny Kandida depioten’ny TIM-K25 N°1 Todisoa Andriamampandry.
Vory maro Ambohimanarina iray manontolo, indrindra ireo mpanohana maro be sy ny mpitarika ny Amboma Misoma Todisoa. Ekipa 170 teo no nandray anjara ary nampanantena loka goavana izy ka omby goavana no natolotra, izay lasan'Ambodihady Ekipa “CROISÉE” nandavo ny Ekipan'Anosisoa “INCROYABLE” tamin'ny isa tokana. Faly ny vahoaka satria dia mikarakara ary vonona tanteraka hampandroso ny fanatanjahantena sy ny tanora ilay manampahaizana sady Mahay Mahalala no Mahavita, satria tsy atoro voanjo hadiana raha resaka fitakosenana amin’ny vahoaka sy ny fampandrosoana an’Ambohimanarina. Ankoatra ireo dia nisy fizarana amboara sy medaly ary fankasitrahana ho an'ireo nanao ny “Super Coupe” izay notolorana lelavola ho fanohanana azy ireo na ny sokajy lahy na ny vehivavy izay maro no nandray anjara. Efa 4 taona teo no nisian’ny Amboma Misoma hivondronan’ny sokajin’olona maro samihafa. Ny antoko TIM no nandrotsaka azy, saingy ny vahoaka rehetra kosa no an-damosiny manohana azy satria raha ny ao anatin’ny “Amboma Misoma”, izao dia ahitana sokajin’olona samihafa avy amin’ny firehan-kevitra maro, toy ny fikambanam-behivavy VAMA, ny olon-tsotra, ny mpikatroka politika izay tsy ny TIM irery ihany,… izay misy mpikambana sy mpanohana an’aliny maro. Vonona i Todisoa hitady ny hevitra rehetra mba hanaganana “Complexe sportif” lehibe ho an'ny zanak’Ambohimanarina mba ho fanampiana ny tanora sy ny mpianatra. Efa teo anilan’ny vahoaka sy nifampitakosina taminy hatrizay, ary ho eo foana hiady ho azy ireo, hoy i Todisoa Andriamampandry sy Fehizoro Andriamanjezika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.