Politique

Toavina Rabe “Mpahazo ny tany nosy ny toe-tsaina tsy mivoatra”


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Ilay resaka toe-tsaina na “mentalité” tsy mivoatra resahantsika matetika io dia mpahazo ny mponina amin’ny tany nosy na “île” rehetra,

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Toavina Rabe. Iny ilay hoe "mentalité insulaire" ary tena vato misakana be io, hoy izy. Tsy misy hanaovana fampitahana satria nosy mitoka-monina. “Sentiment nationaliste” na fahatsapana ho tompon-tany no mibahana fa tsy fahatsapana ho tia tanindrazana na “patriote” ny ankamaroany. Miheritreritra fa tsy mahakasika azy ny zava-mitranga any an-kafa toy ny ivelan'ny fari-dranomasina misy azy satria voadidina ranomasina izy. Izany no mahatonga ny malagasy maro, eny na ny nahita fianarana aza, dia mihevitra fa tsy misy fifandraisany na vokany amin’ny fiainan'ny malagasy ny zava-mitranga maneran-tany toy ny “conflit Géopolitique mondial” na fifanandrinana politika avolenta eto amin’izao tontolo izao, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fanatontoloana sy ny hafa tsy voatanisa. Io olana io miampy ny vesatry ny tantaran'i Madagasikara, ny fanjanahantany sy ny zarazarao hanjakana navelan'ny fanjanahan-tany izay tena raiki-tapisaka sy namela tarazo mety tsy ho voafafa intsony amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny sy ny hafa rehetra no fangaro mandrafitra ilay resahantsika hoe toetsaina simba. Fanamby lehibe izany saingy fanamby sarotra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT