Politique

Toamasina Tezitra amin’ny fanjakana ireo mpamongady


  • Alakamisy 20 Martsa 2014

Nanao fivoriambe tao Tanambao V ireo mpivarotra mpamongady tao Toamasina omaly tolakandro

 Nivoitra tamin’izany ny fahatezeran’izy ireo amin’ny fanjakana, indrindra amin’ireo brigady manokana natao hisava ny hetra, izay zary lasa “mpampihorohoro” amin’ny fihetsika ataony. “Tsy manda ny fandoavan-ketra izahay fa mila fifanajana sy fifanabeazana ary fanentanana izany”, hoy ireto mpamongady. Ireto farany izay nilaza fa hitokona tsy hivarotra raha tsy mahazo valiny mahafa-po amin’ny fanjakana. Tsy inona ireo fitakiana ireo, fa “tokony hanao fanambarana amin’ny fanaovana ny fisavana sy mampahafantatra ny antony hanaovana izany”; “tokony hisy ny torolalana sy fanabeazana ataon’ny fanjakana alohan’ny hanaovana ny fisavana be toy izao”; “tsy ilaina ihany koa ny fitondrana mpitandro ny filaminana mirongo basy fa lasa mampihorohoro”; “tsy azo ekena ihany koa ny fisavana ny ‘coffre’ sy ny vatasirahana”. Vokatr’io fitokonana io dia nanahirana ny nahita mpivarotra nisokatra nanomboka omaly tolakandro.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT