Taorian'ny Magro AAA Behoririka dia nakaton'ny fanjakana omaly 27 aogositra ihany koa ny orinasa Tiko sy AAA ao Ambodioanambo Toamasina.
Ny Sampan-draharahan'ny hetra niaraka tamin'ny vadin-tany no tonga nanao izany omaly tokony ho tamin'ny 3ora sy sasany. Tsy nahalala an'io ny mpiasa, ary teo am-piasana mihitsy no tonga ny tompon'andraikitra ara-panjakana. Taorian'ny fifampiresahana dia nakatona ny orinasa ary nanatrika izany ny vadin-tany avy amin'ny Tiko. Nakatona ny varavarana rehetra miditra amin'ny Tiko sy AAA ary ny MBS izay toerana iray no misy azy. Olana amin'ny tsy fanambarana fisiana sy fandoavan-ketra no ambara fa antony. Fikatonana mandritra ny 15 andro io natao io, taorian’ny ambara fa taratasy fampahafantarana, ka andrasana ny tohiny aorian'izay. Mifangaro amina lonilony politika ny toe-draharaha, hoy ny mpanara-baovao. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin'ny tondrozotra tamin'ny fandaminana ny krizy nateraky ny raharaha 2009 ny fanonerana ny fananan'i Marc Ravalomanana norobaina sy nodorana, saingy mbola fanakatonana no miseho 11 taona aty aoriana noho ny mety ho fisiana hambo-po politika diso toerana. Tsy mitsitsy ny mpitondra, tsy miraharaha izay fiainan'olona sy fiainan'ny mpiasa izany eo anatrehan'ny krizy efa misy. Raha resaka hetra sy ny manodidina azy mety azo halamina, ary mila jerena ny lafiny toekarena sy ny maha olona, fa ity toa efa miharo zavatra hafa mihitsy. Andrasana ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.