Manao tohivakana ny fanoherana ny heverina fa tsy fahatomombanan’ny fifidianana amina toerana maromaro, toa an’i Mahajanga, Maroantsetra, Toamasina.
Ny andron’ny fifidianana no efa niray feo ireo kandida miisa 11 milatsaka ao Toamasina noho ny lesoka teo amin’ny lisi-pifidianana. Ny 70% tamin’ireo mpifidy tamin’ny fifidianana filoha no voalaza ho tsy ao anaty lisitra, eny fa hatramin’ny kandida iray aza. Nandeha ihany koa ny resaka momba ny fitaterana olona ivelan’i Toamasina nifidy tao. Tany Maroantsetra ihany koa dia nisy ny filanjana sorabaventy nataon’ny mpanohana ny kandida Arland Ramilison noho ny fahatsapana fa misy famadihana safidim-bahoaka nokotrehin’ny kandidam-panjakana, ka nisy mihitsy ny olona voalaza fa nosamborin’izy ireo, raha ny vaovao vonjimaika. Any Mahajanga ihany koa dia tsy mankasitraka ny lesoka rehetra ny kandida miisa 13 mianadahy, ka anisan’izany ny lesoka sy fahadisoana tamin'ny fandrafetana ny lisi-pifidianana nampiasaina farany teo iny. Hametraka fitoriana eny anivon'ny CENI izy ireo anio alarobia tolakandro amin'ny 4 ora. Miantso ny mpomba azy hanatevin-daharana azy 13 mianadahy eny amin'ny toerana misy ny CENI.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.