Anisan’ny olana goavana ho an’ireo filoham-pokontany ao Toamasina, ny mahakasika ilay filoham-pokontany iray maty ny alatsinainy teo, rehefa herinandro notsaboina teo anivon’ny hopitaliben’i Toamasina, raha nisy nisompatra tamin’ny fanondrahana asidra tao amin’ny hotely iray ao Canada.
Mitaky ny fanokafana sy fanaovana ny fanadihadiana ireo olona efa fantatry ny mpitandro ny filaminana tsara sy ny hanolorana azy ireo eo anivon’ny fitsarana handraisan’izy ireo ny saziny, ireto filoham-pokontany 138 ao Toamasina ka nanao fitakiana teo anivon’ny Distrika sy ny Faritra Atsinanana ary ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana. Araka ny vaovao nampitain’ireo filoham-pokontany tafaresaka taminay dia iniana hahodinkodina ny fanadihadiana sy ny fanolorana ireo olona ireo amin’ny fitsarana, hany ka na ny fizotry ny famotorana aza dia mivadika. Ny porofo rehetra niniana notakonana ary afenina ireo olona nahavanona ny heloka.
Fantatra ary izao, araka ny fanazavana azo ihany, fa mandrahona “hametra-pialana faobe ireo filoham-pokontany 138 raha tsy mandray ny andraikiny ny tompon’andrakitra eto Toamasina”. Nambaran’izy ireo hatrany fa “asa efa tsy andraisana karama fa fanompoam-pirenena fotsiny ity no hamoizana ny aina toy izao noho hetraketraky ny mpanam-bola sy ny forongony ary ireo mpiray tendro aminy. Aleo miala dieny tsy mbola maro izahay no maty eto”. Raha hiverenana ny nahatonga ity resaka asidra nahafaty filoham-pokontany ity, dia olana ara-tany izay tsy nekeny hatramin’ny farany ny nanomezana sy nanaovana ny sonia hahazoana mpanam-bola azy, dia izao ny ainy izao no nafoy raha avy nijaly tao anatin’ny herinandro teny amin’ny hopitaly.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.