Araka ilay didim-panjakana 2010/1011 ny 14 desambra 2010 manentana ny mpifidy hanefa ny adidiny ny 16 martsa ho avy izao, sy ny filazan’ny praiministra Albert Camille Vital fa tsy maintsy tazonina ny datim-pifidianana, ary ny mbola tsy nanapahan’ny CT sy CST hevitra fa hanemotra ny datim-pifidianana, dia mbola manan-kery izany ny didim-panjakana ary efa hita mihomana ireo te-ho kandida ao Toamasina.
Anarana maro rahateo no heno fa hifaninana ho eny tsimbazaza rah any ao Toamasina. Eo ny Dr Benessy Harison Sébastien, filohan’ny FIMAMI sady «Médecin chef»-n’ny OMSI, toy izany koa i Berthin Jean, Tale jeneralin’ny SMMC izay efa nitonon-tena ho kandida (TGV ?) nandritra ny dom-bera tamin’ny fandresen’ny ENY tao Toamasina. Re koa fa ho kandida ny ankamaroan’ireo mpikambana CT sy ny CST Toamasina, na amin’ny anaran’ny tenany na harotsaky ny antoko, ka isan’izany izao Rtoa Naharimamy Irma sy i Ndalana (TGV) na mbola tsy fantatra mazava na ho ao Mahanoro sy Antanambao Manampotsy, na Toamasina I ; eo koa ny CST Maso José Michel (MTS) izay efa miomana fatratra amin’ny fanaovana asa soa etsy sy eroa. Ireo antoko hafa ihany koa na tsy nahazo alalana avy amin’ny filohany sy ny mpamorona, sy eo am-pangatahana alalana manokana koa, dia maro ny efa hita manomana fatratra tahaka ny MDM, ny Ampela Manao Politika, Arema Matotra Toamasina, TIM Raharinaivo Toamasina (Joma Ernest, Ratelolahy…).
Ankilan’izay dia efa hita soritra ny filatsahan-kofidian’ny PDS-n’ny Kaominina Toamasina I, Rakotovao Mariot any Maroantsetra, Atoa Vohilahy Gaston, Ben’ny tananan’i Foulpointe ao Toamasina II ary ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina ao Toamasina I. Ireto farany ireto tsy fantatra na hatolotry ny antoko politika na hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana vokatry ny disadisa politika eo amin’izy ireo. Hatreto anefa dia tsy fantatra mazava ny isan’ny kandida isaky ny distrika izay miankina amin’ny isan’ny mponina ao aminy. Ny CERI no tokony hamoaka azy ofisialy aty amin’ny faritra. Raha ho an’i Toamasina I aloha dia mety hahana depiote telo raha oharina amin’ny isan’ny mponina. Ny ao Vatomandry koa efa tokony ho roa, Toamasina II efa roa hatramin’izay noho ny fidadasiny, fa ireo distrika ambiny no mety mbola ho tafajanona ho iray avy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.