Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia tonga tamin’ny fandrafetana ny fehin-kevitra lasitra heverina fa hivoahana amin’izao krizy izao ny Tiako i Madagasikara (Ankolafy Ravalomanana) sy ny URD-Fanovana miaraka amin’ny Tanora Malagasy Vonona (TGV).
Araka ny fantatra dia anio no hiroso amin’ny fandrafetana farany ny rijantenin’ny fitanana an-tsoratry ny vokatry ny fihaonana samihafa teny amin’ny Le Hintsy teny. Samy handefa mpahay lalàna efatra avy ny andaniny (Ambohitsorohitra) sy ny ankilany (Ankolafy Ravalomanana) handrafitra io soratra io. Fifanarahana lasitra no hivoaka eo satria manomana ihany anefa no anjaran’ny mpidinika teto fa Atoa isany Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina no tompon’ny teny farany sy manao sonia, hampanan-kery izay fifanarahana izay. Araka ny fantatra dia mifototra bebe kokoa tamin’ny fifanarahana faha-2 efa vita sonia, teo imason’izao tontolo izao, tany Maputo I ity fifanarahana hivoaka ity, izay mirakitra ny fodiana an-tanindrazanan’ny filoha Ravalomanana ialohavan’ny fanafoanana ireo fanenjehana rehetra ara-pitsarana mikasika azy, ary arahin’ny famoahana ireo gadra politika 2009-2010.
Nanamafy izay foto-kevitra fototra tamin’ny fampidinihana izay ry Mamy Rakotoarivelo, Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara, sy i Yves Aimé Rakotoarison, raha nidina tany Moramanga nifampitafa sy nizara vaovao ary niarahaba tratry ny taona tamin’ireo mpikambana Tiako i Madagasikara ao an-toerana ny sabotsy 08 janoary lasa teo. Ho an’ny mpandinika dia zava-dehibe ny fahavitan’io fifanarahana eo amin’i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina io, na dingana ihany amin’ny famahana ny krizy aza. Ankotra izay dia tsikaritra fa ifandrombahan’ny UDR-C sy ny ESCOPOL ny mihaona amin’ny Tiako i Madagasikara. Ny faran’ny herinandro iny aza dia mihevitra ny hamolavola soridalana miaraka amin’ny Tiako i Madagasikara ny elatra ESCOPOL. Midika io fa maika sy dodona te hahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny mpitondra ankehitriny ary any amin’ny Tiako i Madagasikara ny fanantenany amin’izany. Any amin’ity farany araka izany ny baolina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.