Politique

TIM sy ny ankolafy Ravalomanana Hanetsika indray ny “base” ao Toamasina


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Hanomana fety miavaka ao amin’ny CEG Radama I ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, ny sabotsy 22 janoary izao, hampisehoany fa mbola misy sy mbola velona ary mbola manana ny heriny.

Mandritra ity fety ity no hifampiarahaban’izy ireo noho ny taona vaovao, sy hisian’ny fifampitam-baovao ary ny fizotry ny tolona sy ny ho tohiny, araka ny tenin’ny filoha Ravalomanana sady lehiben’izy ireo ny faran’ny taona teo hoe «ilaina ny fihavanana sy ny fifandeferana». Hisy koa ny fihaonana hifanaovan’ny mpitarika sy ny «base» mandritra ity lanonana ny sabotsy ity, «hampisehonay fa mbola manaraka ny TIM ny ‘base’ misy eto Toamasina, na betsaka aza ny mpamendrofendro», hoy ny Me Rasamimaka Mahefalahy mpandrindra ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana Toamasina hatramin’izao sady anisan’ny mpikarakara rahateo.

 Ireo antoko mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana ihany koa dia hisy fihaonana hiarahan’izy ireo ihany amin’ireo mpiara-dia aminy manokana koa. Ankoatra izay, dia efa nanaovana fangatahana teo anivon’ny OMC Atsinanana sy ny Distrikan’i Toamasina I ary ny Kaominina, ny fanaovana ity lanonana hokarakarain’ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana Toamasina ity, ary nahazoana alalana mazava tsy nisy nitsipaka ny hanaovana azy ao amin’ny CEG Radama I. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT