Politique

TIM Eoropa Nanao valin-kafatra


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Nilatsaka ny valin-kafatra avy amin’ny TIM Eoropa taorian’ny fanehoan-kevitra nentin’ny Dr Ratefinanahary Emile na i Vazaha, tanora gasy mila ravinahitra any Frantsa any, mikasika ny raharaha tokantranon’ny Tiako I Madagasikara, ny amin’ny movansy ary koa ny raharaham-pirenena ankapobeny.

Manazava ary manamafy àry ity sampana faha-23-n’ny TIM ity, tamin’ny fambarana an-gazety nataony omaly, fa Rtoa Patricia Lehman no mitarika sy ny misolotena ara-dalàna ny sampana io, izay tsy mivadika ary manohana tsy misy fepetra an’i Marc Ravalomanana, Filoha mpanorina ny antoko, amin’ny lalana sy hevitra ary andraikitra rehetra heveriny hikaroham-bahaolana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy lalina lalovany izao. Manamafy koa ny TIM Eoropa fa i Yvan Randriasandratriniony no filoha nasionalin’ny antoko ary Mamy Rakotoarivelo no Sekretera jeneraly.

Koa manameloka ary mampitandrina izay mety ho fisandoham-pahefana ataona antokon’olona nisintaka tao amin’ny antoko ary tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoany manokana ity sampana ity. Etsy andanin’izay dia Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa ny TIM Eoropa amin’izao fanohizana indray ny dinika eo ambany fitarihan’ny SADC izao mba handray ho zava-dehibe ny ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ka nilazan’ity farany ny fandraisany anjara mivantana tamin’ny fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009 ka nahatonga ny filoha Marc Ravalomanana niala an-tanindrazana. 

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza omaly ireo avy amin’ny elatra TIM nanaiky hiditra anatin’ireo rafitra teraka taorian’ny Fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny FAT ny volana septambra 2010. Tonga tao ihany koa i Vyvato Rakotovao, Sekretera jeneralin’io elatra iray io. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa iray ihany ny TIM fa tsy misy TIM samihafa izany.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT